Dikan'ny teny : tavony

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fonon'ny zaza raha mbola ao an-kibon-dreniny, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe ahitrana zandrin-jaza. (Tsy maintsy alàna tsara tsy misy hamelana ny tavony na ahitra rehefa avy miteraka, fa raha tsy izany mety hankarary; araka ny fomban'ny foko sasany dia alevina any anaty tany ny tavony; avy amin'ireo toetra amam-pomba mikasika ny tavony ireo no nahatonga ny fombam-piteny toy ny hoe: Mandihy tsy afa-tavony: mifaly ambony ihany nefa mbola misy loza mananontanona; ny tany nahalatsahan'ny tavony: enti-milaza ny toerana nahaterahana). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel