Dikan'ny teny : tavy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanatazan-drano maloto avy nisasana na ny fivalanana: Tavin-drano, tavimandry. • Lakan-kely fampihinanana vorona na kisoa vita amin'ny hazo matetika; kilàny: Tavinkisoa. ? Vakivakim-bilany na villa: Tavim-bilia. * Ohab.: Tavim-bilany ny aina ka tsy fantatra izay hahavakisany: enti-milaza fa malia aoka izany ny aina ka tsy hitahita akory ny hahapotehany. Ahitsio
2 a.: Fomba fanaon'ny mponina akaikikaikin'ny morontsiraka amin'ny fambolem-bary: kapainy ny ala, dia dorany ary ny tany voazeziky ny lavenon'ala no fafazany vary. ? Ny tanimbary an-tanety izay volena rehefa avy nodorana ny ahitra teo aminy. Ahitsio
3 a.: Menaka mivaingana fotsy izay miraikitra amin' ny nofo; sabora: Tavin-kena. 1 t.i.f.: Hatavezina, tavezina f mankatavy, fankatavy f ankatavezana, fankatavezana / mahatavy / hatavy, hatavezana f matavy. - F.-p.: Tauy rano: enti-milaza hatavezana mihodrahodra, mivindimbindina be ihany. / Sady tauiny no uolony: enti-milaza olona mana-na ny toetra soa rehetra, ohatra — raha olona halaina iro vady no resahina — sady mpanankarena no tsara tarehy. ¶ M.h.: Lamy, jabora, sabora, matomperina, menaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel