Dikan'ny teny : teny

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Feo avoakan'ny vavan'ny olombelona, izay misy heviny: Tsy nanonona teny na dia indraim-bava aza izy. • Fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra: Misy teny telo ao amin'ny hoe: "Io eo Rakoto". • Enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain'ny fixe-nana samihafa: Mahay teny anglisy ue ianao? - t.i.f.: Tenenina, ateny, voateny I miteny, fiteny, mpiteny / itenenana, fitenenana J mahateny / teniteny. - F.-p.: Azon-teny: voaraorao amin'ny raharaham-pitsarana na ampangain'olona. / Manao teny maharary: manao fitenenana mandatsa, izay tsaroana manaikitra any anaty any. / Manao teny tsy tsaroana: mandefa teny tsy voahevitra noho ny hatezerana. /Manipy teny: manoro hevitra, manome hevitra, manolo-tsaina. / Mitondra teny tanora: mitati-bolana. /Mararin-teny: ilazana ny olona mora misafoaka sy tezitra raha misy teny mikasika azy. / Mavo teny: tsy henoin-teny ary esoesoina amin'izay lazainy. / Teny am-bava: filazana na fanambaranahafatra atao am-bava ihany fa tsy antsoratra, ohatra. J Teny an' orona: teny mingonongonona somary kentsona. / Teny arakaraka: teny mamerina izay nolazaina nefa misy heviny hafa. J Teniko fe-andriana, teniko fe lehibe: teny mampiseho fahefana tsy azo toherina, tsy iadian-kevitra fa ekena fotsiny amin'izao, / Teny manjohy, na teny mileuina ambanin'ny tany: teny tsiambaratelo mety hampidi-doza ny mpilaza raha mivoaka. / Tenim-bahoaka: hevitra ankasitrahan'ny be sy ny maro. / Tenim-behivauy: ilazana ny teny fanaon' ny olona migorerarera. / Tenim-pandroana: anjara vola amin'ny lany rehefa mamono ombim-pandroana. / Teny mby am-bato: ilazana ny teny voatana tsara, tsy lazaina na amin'iza na amin'iza. / Tenim-bola: fahefana ananan'ny vola, ka raha misy raharaha atao, ara-bola no ibaikoana sy andidiana ny hafa (ankehitriny, dia atao koa hoe totohondry vola). / Teny miera, teny ierana: teny na hevitra aseho hifanarahan'ny mpiombona adidy. / Teny mora: teny mamy sy malefaka atao handaminana raharaha. / Tenin'aina; manao tenin'aina: tanjaka sy hery manampatra ny tanjaka fotsiny, fa tsy mampiasa ny saina eo ampanaovana izay atao. / Tenin'andriana: ilazana ny didin'ny mpanjaka tsy azo la-vina na iadian-kevitra. / Tenin'antitra na tanin' ad ala: teny na resaka miverimberina sy ventesina tsy misy antony. / Teny azon'adala: enti-milaza ny teny averimberin'ny olona tsy ampiampy saina na dia amin'ny toejavatra tsy mifanandrify aminy aza. / Tenin-dahy: teny henjana sarotra ifampiraharahana. / Tenin'ny maty an-drano: tenin'olona mampanantena zavatra be eo amin'ny loza mahazo azy, ne-fa tsy tanterahiny rehefa afa-doza izy. / Tenin-karena: ny harena ananana no entina mibaiko sy mandidy ny hafa. / Teny tsy loa-body: teny tsy lazaina manontolo, fa tapahina eo an-tenatenany ary misy heviny afenina. / Tenin'ny maro: ny hevitry ny betsaka. / Teny tsy Io: ilazana ny teny izay tsy nandalo na niserana fotsiny fa tadidy mandrakariva. / Teny imaso tsy mba kilema: enti-milaza hevitra aseho am-pahatsorana na dia tsy hahafaly ilay ilazana azy aza, sao manjary fanaratsiana na fifosana raha any amin'ny takona. J Teny tsy valiana: baiko tsy maintsy tanterahina. / Teny vaventy: teny misy avons sy fandrahonana. / Teny vita: ilazana fifanarahana efa tanteraka, na didim-pitsarana efa nivoaka. / To teny: ekenteny. J Reniteny: teny misy hevitra ampahafantarina (oh. kapoka). / Zanateny: izay rehetra tsy reniteny, ka mety ho tsirinteny (mi-, -ina, na singan-teny (ka, ny...). / Teny verindroa (jar. verindroa). / Kamban-teny: teny avy amin'ny teny vitsivitsy nakambana (viliantsahona). / Fakan-teny: razam-be niavian'ny teny iray, oh, fahana, avy amin'ny fakan-teny indonezianina "pakan". 1 Fototeny: teny niavian'ny teny iray ara-piforonana, oh. sarahina, avy amin'ny fototeny hoe "saraka". * Ohab.: Mararin-teny ka tia takarina: enti-milaza ny olona mora misafoaka sy tezitra raha vao mahare teny mikasika azy, nefa izy loza raha handeha mamonjy sakafo any amin'olona, ka tsy maintsy ataon'ny olona resaka noho izany. Ahitsio
2 p.mt.: Endriky ny p. mt. "eny" ilazana ny lasa: Nisy olona efa teny amin'ny vola-na ve tamin'ny tanna 1920? Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel