Dikan'ny teny : teraka

Hampiditra dikany vaovao
1 mt.: Vao nivoaka ny kibon-dreniny ka manomboka miaina eto an-tany: Vao teraka, hono, io zaza io dia nitsiky. ¶ M.h.: Latsaka antany, foy (raha atodim-borona no lazaina). ~ Nandatsaka zaza avy ao an-kibo: Teraka halina Ramatoa Rasoa. 1 h. : Miseho, mitranga: Van teraka io lamaody io, dia nanao akanjo manas pe daholo ny sakam-bavy rehetra. / Teraka ny volana. I t.f.f.: Ateraka / miteraka, fiteraka, mpiteraka / iterahana, fiterahana / mahateraka. ? F.-p.: Tera-bao: ilazana ny vehivavy avy niteraka vao haingana. I Tera-bao filaza: filazan-javatra mampitombo na manitatra izaitsizy. / Tera-bitro: ilazana ny vehivavy miteraka matetika sady kely aizana. / Tera-ketsa: tera-bary kely sy mifanizina. / Tera-kovitra: mipararetra na noho ny hatsiaka na no-ho ny tahotra. / Tera-mena: mivoara mena ny tarehy no-ho ny hatezerana. / Tera-tay: ilazana ireo kanosa sy kabaosy. / Teraka ny volana: ilazana ny fiposahan'ny volana. * Ohab.: Terak'omby fahauaratra: sady lalao no harena: enti-milaza fifanontonanjavatra izay sady mahasoa no mahafinaritra. ~ M.h.: Ary, foy, mahita masoandro, vaky maso, foy elatra, latsaka an-tany. — Vao avy teraka, velombao, tera-bao, mifana. Misy heuitra ifandraisany: nitondra folo volana, mivadi-jaza, mihetsi-jaza, tonga andro, teraka alohan'ny fotoana, tsy ampy andro, tsy tonga volana, afa-jaza, tsy manao takalo kely, vaky manta, manao oty kely. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel