Dikan'ny teny : tezitra

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy faly amin'ny olona iray ka hetsehim-po hamely azy: Tezitra taminy ny rainy ka saika voafelaka izy. / Tezitra noho ny hakamoanao ny mpampianatra. 1 ' mt.: "Axa tezitra anay, Tom-po ô" - t.i.f.: Tezerana na terezana, voatezitra, tinezitra / mitezitra, fitezitra mpitezitra / itezerana, fitezerana / mahatezitra / tezitezitra / hatezerana, fahatezerana. ¶ M,h.: Sosotra, madiky, monjotra, mimonjotra, mandongilongy, montotra, malonilony, mimonjomonjo, mionjononjona, manao farateny, mihifika, tohina, sendaotra, entim-po, tafintohina, milondolondo, somalondo, lotika, letra, misamontotra, mifongofongo, mikitoka, mikintona, manangam-bovona, mirintona, miotinotina, mandrivana, lomodomotra, vinitra, miviniviny, mivindina, mivindavinda, mikitakita, mena, tera-mena, mivoaramena, hendratra, hendratra dia hendratra, miala vonkina, mivandravandra. tonga fofona ohatra ny ronono mandroatra, mihidy vazana, miempo fo, misarongatra, mandroatra, mitroatra, mitrifana, misafoaka, mitafoaka, miafokafoka, mifotroaka, mitrafana, mikafara, mikafankafana, miafonafona, miefonefona, misondro-dra, henjan-kozatra, romotra, gaigy, misamboaravoara, misafotofoto vorim-bava, maimbo ra, liandra. — Mora tezitra, saro-pò, saro•poserana, foizina, ratsy fo, manao fon'ny mpanefy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel