Dikan'ny teny : tia

Hampiditra dikany vaovao
1 mt.: Manana fironana na firaiketana amin-javatra na olona iray: Tia an'io saka io izaitsizy i Naivo. 1 Mahatsiaro ho voasintona tsy hisaraka aman'olona iray, izay na ho an-tena, hasian-tsoa ary hahafoizan-javatra na hahafoizan-tena mihitsy aza: Tsy misy tsy tia ny zanany, na ny biby aza. 1 Mahatsiaro hafinaretana amin-javatra iray: Tia hira malahelohelo ny zandriko. / Tia ny mitsangantsangana eny amoron-dranomasina izy. 1 Mahazoazo, mankafy: Tia akondro fatratra Rangahy vadin-dRazanany. - t.i.f.: Tiavina na tiana / mitia, fitia, mpitia / itiavana, fitiavana / mahatia / mifankatia, mpifankatia 1 ifankatiavana, fifankatiavana. - F.-p.: Tia kely, tiatia kely: kahihitra sy fetsifetsy ka na zavatra tsy dia inona akory aza dia tetehiny ho azy. / Tsy tia mainty, tsy tia maizina: leony sy tsy tia tanteraka, tofoka tsy te hiherika akory. / Tsy tia mololo: ilazana ny efa voafitaka mafy ka tsy tia hiherika intsony. / Tsy tia velona: anarana iantsoan'ny olona ny mpivarokena, ny mpamosavy, ny mpanapa-doha... noho ny asa fanaony. ¶ M.h.: Mirona, miraiki-pitia, miraiki-po, mandala, mankamamy, mankafy, mankasitraka. — Tia fatratra, mironaka, seriny, miadala, lefaka, mivarilena, misary adala, matim-pitia, matimaty amin'ny, mimatimaty amin' ny, azon'ny sasany amin' ny..., voan'ny fandraikiraikena. — Tia tena, tiatia kely, vorombe sima, mpanao ampihi-mamba, mpitady tany malemy hanorenam-pangady, mpila sitrany ahay, mahalala folo ho an-tena fa tsy mahalala iray ho an'olona, mahajery voamason-jaza, mivolo hoho, manao asa azy, manao voin'ny azony, manao havana raha misy patsa, manao kely tsy mba mamindro, mijery lamba vaky, manao vain-drahalahy tsy mba maharary, manao mamy hanina an-tanana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel