Dikan'ny teny : toa

Hampiditra dikany vaovao
1 ppk.: Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja... fa ny "toy" kosa fifanahafana, fifandraikana: Izay adala no toaan-drainy — (Be maso toy ny rainy ity zaza ity). (Samy hafa ny fampiasa ny toa sy ny toy ankoatra ny heviny mitovitovy: ny toa dia fampiasa: a) -eo alohan' ny anaran-tsamirery: Manantsaina toa an-dRabe ny zanany -b) eo alohan'ny mpisolo anarana misolo olona: Tsy misy mahay toa azy -d) eo alohan'ny anarana iombonana tsy voafaritry ny mpanondro: Maty toa tantely. Ny toy kosa dia fampiasa: a) eo alohan'ny anarana iombonana voafaritry ny mpanoritra: Mamy toy ny tantely -b) eo alohan'ny mpamaritra na mpisolo anarana manondro: Tsy mbola nisy toy izany, / Toy izao ny fandehan'i Fano kely. Ahitsio
2 ft.: Voalohany, Inhibe, niavian'ny hoe: Dadatoa, Nenitoa, matoa. Ahitsio
3 p. mt.: Ohatra ny: Toa manauy aho izany! ? Angamba: Toa lasa omaly Rakoto. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel