Dikan'ny teny : tsotra

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Mahitsy tsy misy mivonkina: Tsotra tahaka ny tsinaim-balala. ~ Mora tsy manahirana ny fanaovana na fampiasana azy: Milina tsotra ity anao ity. 1 Mora azo, tsy be olakolaka na miolikolika: Lahateny tsotra./Valinteny tsotra. ~ Tsy manan-kevi-dratsy hamely, tsy manafinafin-kevitra: Tsotra ohatra ny zazakely. ~ Mora badoina: Tsotra loatra izy ka ambakain'ny sasany. ? Tsy be aingitraingitra na fombafombany: Manao fitafiana tsotra izy. - t.i.f.: Tsorina, atsotra, voatsotra, tafatsotra / manatsotra, fanatsotra, mpanatsotra / anatsorana, fanatsorana / mitsotra, fitsotra, mpitsotra / itsorana, fitsorana / mahatsotra / tsotsotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel