Dikan'ny teny : vaky

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: 1) Sila-javatra potipotika, poti-javatra: Voan'ny vakin-tavoahangy ny tongotro. 2) Fanasaratsarahana ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra lazaina: Vaky teny malagasy, • p.t.: 1) Enti-milaza zavatra potika noho ny clona na vely nahazo azy na noho ny fianjerany: Vaky ny solomasoko. 2) Simba, raya: Vakin'ny rano ny fefiloha. 3) Miseho: Vaky masoandro. 4) Fantatry ny olona rehetra: Vaky izao ny tsiambaratelony. 5) Entimilaza ny ravina, ny voa, ny vony vao mivelatra: Vaky ravina ny zavamaniry amin' ny lohataona. - t.i.f.: Vakina, voavaky, vinakY 1 mamakY, famakY, mpamaky / amakiana, famakiana 1 mifamakY 1 mivakY, fivaky, ivakiana, fivakiana / madas'aky / vakivaky. - F.-p.: Vakim-bola: sombintsombin'ny vola farantsa izay novakina taloha. f Vakim-borona: vorona na akoho voazara roa. f Manao vakim-borona: manao sakafo be, mihinana hanim-py. 1 Vakin-dalana: ny ilany roa avy amin'ny laiana. / Vakin-doso: ny antsasaky ny farantsa, loso. f Vaky adisaona: maniry faravazana. / Vaky am-batolampy: hita mazava, miharihary ny zava-nafenina. f Vaky ambiaty (jar. Vakiambiaty). / Vaky bantsilana mise-ho miharihary tsara, / Vaky barara: menatra fa hita na naseho miharihary ny hadisoana nafenina, vaky lainga. f Vaky betroka: vaky nipotsaka ny ati-dohany niafina. . 4 h.o.: Voapotaitra ampahibemaso ny ratay natao na ny lainga nafenina. / Vaky feo: ilazana ny sakan-jazalahy eo amin'ny fahamaotiana izay manomboka ho be feo. / Vaky holatra: enti-milaza tany efa nasaina. / Vaky lafatra na vaky lafika: aretina mahatonga ny faladia ho vaky mihelakelaka. / Vaky lainga: potsltra ny lainga na-tao. / Vaky lalan-kaotra: misy dian-kaotra miseho. f Vaky lalantsara: enti-milaza ny trano misy lalantsara manelanelana ny efitra an-daniny roa. / Vaky loha, mamaky loha: sahiran-tsaina. / Lamba am-baky loha: lamba avitrana ka ny ilany atao mitohy. f Omby vaky loha: misy fotsy mamaky amin'ny handriny. f Vaky mandositra: rifatra mandositra. / Vaky man-ta: afa-jaza. / Vaky maso: enti-milaza ny alika na ny saka kely... miantomboka misokatra ny masony, na ny voan-javatra miantomboka haniry. f Vaky masoandro: fotoana tsy ahitana afa-tsy ilany kely amin'ny masoandro vao miposaka. / Vaky ra: a) baba ra; b) fati-dra. / Vaky raoka: sisiny amin'ny lamba. / Vaky sarona: entimilaza ny hoditra manarona ny loha bibikelin-jaza izay e-fa mety hivotsotra tsara ka mora hotsongoina. / Vaky saron-teny: sesin-teny. f Vaky somotra: miantomboka maniry somotra. / Vaky tai-nana: marary kibo mivalana noho ny havokisana be loatra. / Vaky tady: rifatra mandositra, milefa. / Vaky tamberona: mitovy amin'ny vaky betroka. / Vaky tampona: sori-bolo mahitay eo antampon-doha (mifanohitra amin'ny sori-bilana, izay tsy eo afovoany an-tampon'ny loba fa amin'ny ilany havia na havanana). / Vaky tantana: misy tsy mby ao ny fahan-tenona. / Vaky tratra: sahirana izaitsizy. 1 Vaky va-va: gaga, talanjona. / Vaky vazana: maniry ka hita ny tsimoka amin'ny vary akotry. / Tsy vaky volo: tsy ankanavaka, manontolo: Ny Molagasy tsy vaky volo, i Madagasikara tsy vaky vola. / Tsy vaky lay: enti-milaza fananana na ala mbola tsy nahafahana na tany mbola tsy nisy nandia. / Tsy vaky atatra tsy vaky afero: tsy menatra, tsy valahara. f Tsy vaky holatra: tany tsy mbola nasaina. / Tsy vaky ravi-natototra: mbola tsy nahafahana. / Tay ho vaky bilady ante!: hieren'ny loza ante! ¶ M.h.: Triatra, tapaka, tresaka, mitsefoka, miveraka, misaraka, mivava, manamika, vaky hentana. — Vaky lainga, vaky barara, vaky betroka, vaky tamberona, vaky am-batolampy, vaky bantsilana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel