Dikan'ny teny : valaka

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Mahatsiaro tena ho reraka noho ny hery lany nampiasaina; trotraka; kotra: Valaky ny asa tany Rabe. (Tsara homarihina ny mahasamy hala ny hoe: "sasatra, vizana, valaka ary trotraka": ny hoe "sasatra" dia ilazana fahatsiarovan-tena ho reraka noho ny fahenjanan'ny hozatra indrindra: Sasatry ny miandry; ny hoe "vizana" kosa dia noho ny tsy fiovampihetsehana indrindra: Vizan'ny mihorirana ny marary; ny "valaka", dia noho ny hamaflsan'ny asa: Valaky ny asa tany izy, ary ny "trotraka", mitovy hevitra amin' ny valaka ihany saingy mafimafy kokoa indray). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel