Dikan'ny teny : valy

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Setry: Valin'ny fiakarana ny fidinana. ~ Setrin'ny taratasy nalefa na ny fanontaniana natao: Nandefa taratasy tany amin-dRakoto aho nefa tsy naharay voiiny hatramin'izao. / Ataovy mazava tsara ny valin-teninao. 1 Tody: Mbola hisy valiny izao fampijalianao zanak'olona izao. ~ Zavatra atao ao ambadiky ny zavatra hafa iray: Misy valy tafo ny tranonay. 4 Valiana, avaly, voavaly, vinaly 1 marner, famaly, mpamaly I amaliana, f amaliana / mifamaly I mivaly, fivaly, mpivaly I ivaliana, fivaliana 1 mahavaly I vaiivaly 1 mamalivaly. - F,-p,: Valim-babena: fankasitrahana àtaon'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny no-ho ireo soa be nataony taminy. / Valim-bonoana: famonoana (fikapohana) ny hafa ho setrin'ny namonoany ny tena. / Vulim-pahaizana: fankasitrahana noho ny fahombiazana tamin'ny fanadinana na ny fianarana ankapobe. / Valin'ady: fanarenana ny faharesena an'ady. / Valin-kasasarana: karama. / Valin-tanana: fomba fifanampiana fahiny tamin'ny aga teo amin'ny fokonolona: nfàsâ ho an'ny olona iray ny olona rehetra ary dia nifandimbiasana niasana toy izany tsirairay avy ny olona tao an-tanàna ka ilay niasana androany dia namaly niasa ho an'ny hala kosa ny ampitso. / Valy bontana: setrin'ny soa nataon'ny hafa tamin'ny tena / Valindrihana, ualisoa, valitafo, valizaitra (jer. amin' ny laharany ireo teny ireo). / Valy boraingona: valin-teny toa manao didiko fe lehibe fotsiny izao, valin-teny jadona. / Vaiy faty: setrin'ny namelezan'olona iray, na nahafaty izy na tsia. / Valy vilana: valin-teny atao amim-pahakingana, nefa tsy mifanaraka akory amin'izay tokony ho izy. ¶ M. h.: Setry, tsimbalivaly, valim-bonoana, valy faty, valin'ady, famerenana Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel