Dikan'ny teny : vary

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazan-javamaniry madini-boa, izay ambolena amin'ny tany malaria sy be rano, foto-kanin'ny telo ampahefatry ny mponlna eran'izao tontolo izao, ka anisan'izany ny Malagasy. (Misy karazany maro ny vary arakaraka ny lafiny jerena: raha ny bika aman' endriny no jerena, ao ny vary lava, vary botry, vary rojo..., Miha-betsaka ny karazana vary misy eto Madagasikara toy ny vary dista, makalioka, ny vary gasin'ny Mangamila, ny varin'ny Marovoay, ... Raha ny toerana aniriany kosa, ao ny vary ankeniheny, ny vary an-tanety, ny vary tomboka; raha ny fotoana amafazana azy, ao ny varialoha, vakiambiaty, vary asara, vary jeby, vary atriatry.•). 1 Famarana taloha mitovy amin'ny tolàna inenin'ny vata, izany hoe ~— mahatratra eo amin'ny 120 litatra ankehitriny eo ho savily eo: Vary zato tsy entimandeha. - F,-p.: Vary varialoha (jar. io teny io), / Vary vakiambiaty (jer, io teny io). / Vary asara: vary ambolena amin'ny Janoary. / Vary jeby: vary afafy amin'ny Mey, ketsaina amin'ny Jiona ary jinjaina Novambra. / Vary atriatry: ambolena amin'ny Martsa (amin'ny tapany avaratra andrefana daholo ireo telo farany). / Vary rahana: vary akotry maitso andrahoina, ahahy vao totoina. Ireto avy no zavatra lalovan'ny vary miatomboka izy akotry mandra-pahatongany ho vary azo hanina akotry: ireo totoina na atao masomboly afafy aloha ny akotry eny amin'ny taninketsa izay efa voaomana ketsaina ireo ketsa atao eny amin'ny tanimbary avaina afaka volana vitsy, rehefa matoy manomboka mavomavo dia jinjaina, atapy eny amin'ny famoloana ho maina, totoina ary hofaina izay vao andrahoina ohabolana fampiasa: vary sy rano an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel