Dikan'ny teny : very

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy hita izay misy azy, tsy hita izay nalehany: Very ny peniko (izay atao koa hoe: Veriko ny peniko, na Very penina aho). / Very ny ondrinay. • Lany amin' ny tsinontsinona, amin'ny tsisy antony: Very foana lahy ny androko! / Very mai-na ny hasasarako. • (taloha) Nandevozina, nesorina ny zo maha-olona afaka azy: Vary izy mianakavy fa tsy nahaloa ny volan'olona, • Voaheloka ho any amin'ny afobe: Ho very izay tsy mibebaka alohan'ny hahafatesany (fampianarana kristianina). - t.i.f.: Verèzina I mamery, famery, mpamery j amerezana, famerezana 1 mahavery j ahaverezana, fahaverezana / haverezana. - Very andro: lany fotoana amin'ny tsinontsinona. / Vary araka: tsy hita harahina intsony ny nalehany. / Very dia: tsy mifantoka intsony amin'ny zavatra iray nibahana tao an-doha ny saina. / Very faty: tsy hita izay misy ny fatiny. / Very fonoka: tsy ao an-tsaina intsony. / Very hasina: tay manana ny voninahiny intsony. / Very heuitra: tsy mahita izay hatao, sanganehana fatratra. / Vary lany: enti-milaza ny kofehy misafotofoto tsy hi-ta ny laniny roa. / Very mai-na: tsisy vokany. / Very maso: jer, verimaso. / Very momoka: tsy misy mahatsiaro intsony. / Very polka na very petsika: enti-milaza ny mpilalao fanorona izay voasokera hatraiza hatraiza ka voatery milavo lefona. j Very poka: tsy re maty tsy re velona. j Very rariny: mitovy amin'ny very andro. j Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel