Dikan'ny teny : vontona

Hampiditra dikany vaovao
1 sy Vontony a: Enti-milaza ny afovoany amin' ny zavatra telo milahatra: ny antenatenany, toy ny ambainy faharoa izany amin' ny lamba telo ambainy, ny zanak'andro faharoa amin' ireo renivintana mibaby andro telo: vavany — vontony — vodiny: Vonton'ajahamady. - t.i.f.: Mamontona. - F.-p.: Vontom-bintana: ny andro faharoa entin'ireo renivintana (Alahamady, Asorotany, Adimizana, Adijady) izay mitondra andro telo: vavany — vontony —vodiny. / Vontom-pahavaratra: ny afovoany na antenatenan'ny fahavaratra fotoana mahabe oxana. / Vonton-ketsa: eo am-paharevoana indrindra amin'ny fanetsana, izany hoe: tsy lasa aloha na tratra aoriana fa eo afovoany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel