Dikan'ny teny : vorona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anarana itambarana iantsoana ireo karazam-biby manidina misy elany roa solon'ny tongony anoloana, ka roa ihany ny tongony ary rakotra vola manokana — izay nantsoina indrindra hoe: volom-borona — ny tenany; manatody izy fa tsy miteraka. a F,-p,: Maty vorona: ilazana keo olona nosoloana vorona tamin'ny fampinomana ka maty ilay vorona. • h. : Maty tanora. / Voro-manompo: enti-milaza ireo vorona fiompy fa tsy mba dia. / Voro-manompo havana: zana ny havan'ny mpanjaka, na ireo olona ambony izay samy mikezaka hahatsara laza ny mpanjaka eo imason' ny vahoaka. / Vorombe maty uady: ilazana olona mijoro ka ny tongony an'ila ihany no mitehi-tany eo am-pijoroana. / Vorombe rima: enti-milaza ireo olona masiaka sy tia tena, nefa mpanenitra ny hafa. (Tapak'ohabolana ihany io fa ny ohabolana feno dia hoe: "Kapakapa uorombe rima, mijere te-na vao manenitra ny sasany", / Vorom-panova: salon' ny maty na ny tsy ao intsony mba hianteherana. * Ohab.: Vorona azon'adala: raha tsy maty aza mifohafoha volo: enti-milaza ny zavadoza mihatra amin'ny osa raha eo an-tanan'ny fohy saina sy ny tsy hendry. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel