Dikan'ny teny : vory

Hampiditra dikany vaovao
1 mt. ih, ft.: Tonga miaraka eo amin'ny toerana iray: Efa vory ny mpianatra ka mitenena ianao. ? Voangona: Be ihany ny vola vorintsika omaly. - t.i.f.: Vorina, voavory, vinory, tafavory / mamory, famory, mpamory / amoriana, famoriana / mivory, fivory, mpivory / ivoriana, fivoriana I mahavory I vorivory. Ahitsio
2 na Vorivory p.t.: Manao faribolana: Tsipika vorivory, i t.Lf.: Vorivorina, voavory / manavory, fanavory, mpanavory I anavorivoriana, fanavorivoriana I mahavory. ? F,-p,:Hady vory na hadivory: hady na iavaka nohadfna manodidina toerana na vohitra kely. / VorivorY endrika: ilazana ny tarehy somary boribory ary mitalesaka kely. / Vory ioha: ilazana ny tafon'ny trano izay tsy mba nasiana tapenaka avo fa natao mitovy efatra eo ampovoany kosa. Ahitsio
3 a.: Roatra: Vorin-tsavony; vorin-dabiera. - t.i.f.: Mamory, mamorivory, famory, mpamory 1 amorivorlana, famorivoriana. ? F.-p.: Vorim-bava: rora mandroadroatra mameno ny vava sady mivoaka eo ivelany koa. / Mandoa vory: mihoaka mandoa, nefs tsy misy ventiny fa rano mamorivory fotsiny no aloa, misafoaka vorim-bava (fahita rehefa avy mihazakazaka na mikohaka mafy). / Mitoko vory: enti-milaza ny fotsimbary andrahoina ao am-bilany ka efa madiva handroatra. / Vorin-drano: ny rano mamorivory sy misy roatrany. / Vorin-tsavony: roatran-tsavony mitafoaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel