Dikan'ny teny : votsa

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy kinga, mitaredretra, mitavozavoza: Votsa loatra ity mpiasa ity. 1 Tsy mahay, osa: Mbola votsa ity zaza ity ka tokony hampianarina manokana. 1 Miadana: Votsa fandeha. - t.i.f.: Mahavotsa / havotsana / fahavotsana. - F.-p.: Votsa raina: ela vao mahatakatra ny teny voalaza, na tsy ampiampy fiheverana loatra. / Votsa tanana: milaiko sy milamin-doatra eo am-panaovana raharaha na asa atao amin'ny tanana. / Votsa voua: enti-milaza zaza tratra aoriana amin'ny fitenenana na olona miadampiteny ary tsy mahavoaka izay tiany holazaina raha tsy efa ela fa miahotrahotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel