Dikan'ny teny : votsotra

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Mivaha, miboraka (kofehy, tady...): Votsotra ny kofehy ka lasa ilay on-dry. 1 Afaka tamin'ny gadra na ny fanandevozana: Votsotra ireo mpifatotra telopola. 1 Main'ny zavatra mangotraka na voan'ny kapoka mandrivorivo ka miendaka ny hoditra ary miseho ny no-fo: Votsotra mihitsy ny tongony vao nalefan'ilay tsy mifaditrovana iny izy. - t.i.f.: Votsorana, avotso• tra, tafavotsotra, voavotsotra I mamotsotra, famotsotra, mpamotsotra I amotsorana, famotsorana / mivotsotra, fivotsotra I ivotaorana, fivotsorana / mahavotsotra / votsobotsotra. - F.-p.: Votso-droa: enti-milaza olona sendra fahavoazana roa sosona ka ny an-daniny tsy tanteraka, ny an-kilany nirava mains. * Ohab.: Ny nantenaina tsy azo, ny an-tanam-botsotra: enti-milaza fahavoazana lehibe mihatra amin'ny tena, fa izay noheverina tsy azo, nefa ny teny an-tanana koa latsaka tsy tana. / Raha mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, uotsodroa: enti-mampitandrina an' ireo be faniriana loatra ta hahazo betsaka amin'izay ataony nefs mety tsy hahazo na iray amin'iteo aza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel