Dikan'ny teny : zafy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zanaky ny zanaka, na taranaka faharoa (ny zanaka no voalohany): Matetika no manahaka ny raibe, hono, ny zafy. ~h.i.: Taranaka: Zafin' ny mpanjaka Andrianampoinimerina izy. - F.-p,: Loa-jafY: ilazana ny olona vao nahazo ny voalohan-jafikeliny. I Zafiafy: zanaky ny zafy, na taranaka fahatelo. I Zafin-dohalika: zanaky ny zafiafy, na taranaka fahefatra. / Zafin-kitrokely: zanaky ny zafin-dohalika na taranaka fahadimy. / Zafirnpaladia: zanaky ny zafin-kitrokely na taranaka fahenina. / Zafin-doria: zanaky ny zafim-paladia na taranaka fahafito,sy ny manaraka rehe tra. / Zafy mafy na zafy tsy torana: enti-milaza ireo zafikely efa lavitra dia lavitra ka tsy mba mitomany intsony raha manche fa maty ireo kazaha na razam-beny tany aloha. / Zafy tsy havana: ny taranaka iray fiaviana nefa noho ny fahalaviran' ny fihavanana dia toa tsy hi-ta intsony ny maha-mpihavana azy. / Zafim-bary: ny taimoky ny vary avy eo amin' ny fotony izay miteraka sy masaka mialoha. / Zafim-bato: anaram-bosotra amena ny kary. / Zafin-dekà: ilazana ny dekan'olona iray, izay mba deka-na manamboninahitra ihany koa. / Zafinkevitra: hevitramadinikaavy amin'ny lohahevitra na votoatin-kevitra iray. / Zaf in-teny: ilazana ireo f1zarazarana madinika amin'ny Iohateny na kabary. * Ohab.: Ny zafy mpanahaka: enti-milaza fa matetika, araka ny fanamarihan'ny Ntaolo, dia manahaka ny raibeny ny zafy; fantatra koa fa tian'ny raibeny fatratra ny zafikeliny, ary izany no nahatonga ny zafy sasany nomena ny anarana hoe "Ratsimbazafy" (tsy mba zafy fa zanaka). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel