Dikan'ny teny : zavatra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Izay rehetra misy na hita vatana izany na an' eritreritra: Ny fanahy dia zauatra manan-tsaina fa tsy manam-batana na ren'ny fandrenesana. ? Teny ilazana izay rehetra tsy manana aina, izany hoe: tsy zavamaniry na biby na olona: Hividianana ny zavatra ilaina amin'ny fiainana no ilana ny vola. / Ny akalana dia zauatra ampiasain'ny mpivarokena mba hikapany ny taolana. ? Teny ilazana toe-draharaha araka ny nisehoany: Tantarao amiko tsara ny zauatra rehetra, • Teny ilazana izay heverina ho tsara, ho ambony: Izany ka tena zavatra! / Manao azy ho zauatra io tovolahy io, • Teo amin' ny finoan'ny Ntaolo, karazana fanahy ratsy tsy fantatra, ivelan'ny olombelona, izay mety hanimba azy ka natahorany: Rano misy zauatra io ka tandremo. ¶ M.h.: Ra-ha. - F, -p.: Arahin-javatra: ilazana ny olona voasompatry ny angatra na lolo na fanahy ratsy izay mahatonga aretina. / Manao azy ho zavatra: mihevi-tena ho kanto na mahay noho ny hafa. / Manao ny ainy tsy ho zauatra: manao an-tsirambina ny aina eo ampitadiavam-bola, mihafy tafahoatra mba hahazoana vola na laza. / Mararin-jauatra: marary noho ny hasomparan' ny lolo na angatra no antony. / Zana-javatra: olona tsara tarehy voateny amin'ny angano (fiteny nitarina tat? aoriana ilazana zazavavy tsara tarehy fatratra). / Zavadratsy: anaram-bosotra iantsoan'ny olona ny kary. / Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel