Dikan'ny teny : zotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fandeha mahitsy tsy mivilivily, mandroso sy mitohy hatrany. ~ Enti-milaza antokom-piara mpitatitra olona anankiray ma-nana lalana voasoritra falehany: Ny zotra faha-22. / Ny lamasinina zotra Antananarivo-Toamasina, - t.i.f.: Zorina, azotra, tafazotra 1 mizotra, fizotra, mpizotra 1 izorana, fizorana 1 mahazotra 1 zojotra 1 zorina, na zojorina, zofina na zojofina, azojotra, voazojotra 1 manjozotra, fanjozotra, mpanjozotra 1 anjozorana, fanjozorana 1 mahazojotra 1 mitanjozotra, mitozojotra. * F,-p,: Zo-balala: fomba fanjairana atao mifanalavitra ny tevi-panjaitra ary mifamaly ambadika sy ambadika ka mizotra mahitsy hatrany. / Zo-molotra: zaitra vilina bakatraka fanao amin' ny fanjairana ny vava lasaka na gony. / Mizo-daiana: mizotra mahitsy manaraka ny lalana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel