Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ambalaniva: (Ski) a.: Karazankira fanaon'ny Sakalava avaratra. Ahitsio
Ambalavelona: a.: Aretina mitovitovy amin'ny kasoa, avy amin'ny ody mahery ataon' olon-dratsy mpisompatra ary mety hahavoa antokon'olona maro miaraka aza, araka ny filazan'ny olona sasany; raha tsy voatsabo dia miafara amin'ny fahafatesana. Ahitsio
Ambamboana: a.: Zavamaniry mampanolatra fery ny hodiny sy ny raviny (Panax multibracteatum). Ahitsio
Ambana: a.: Fihetsehana mody mamely na manao zavatra, nefa tsy mahakasika na tsy manao akory, fodiana marnely amin'ny fihetsehana fotsiny: Ambana tehina fotsiny dia nampandositra ilay alika. ~ Tahotra sy tebiteby ateraky ny loza mananontanona na ny tsy fahalalana ny vokatry ny zavatra iray natao: Ny ambany no tsy tanty fa rehefa mby an-koditra zaka ihany. - t.i.f.: ambanana, voambana / manambana, fanambana, mpanambana ! anambanana, fanambanana f mahambana. Ahitsio
Ambanana: (ambana), mt. ih. (ambano): Anaovana fihetsehana mody mamely: Nambanako ny tehina ilay alika dia nandositra. Ahitsio
Ambangony: a.: Zavatra maro navangongo. ? Fitambarambolom-behivavy nobangoina. Ahitsio
Ambaniandro: na Ambanimasoandro a.: Teny nilazana ny vahoakan'ny mpanjaka teto Imerina fahizay, afa-tsY ny andriana sy ny andevo. ¶ M.h.: Hova, bemihisatra, folovohitra. Ahitsio
Ambanilanitra: a.: Teny na anarana nilazana fahizay ny mponina rehetra tsy an-kanavaka eran'ny fanjakana (hita araka ny fiforonan'ny teny fa malalaka lavitra ny faritry ny ambanilanitra noho ny ambaniandro na ambanimasoandro satria midadasika kokoa ny lanitra noho ny masoandro). Ahitsio
Ambanimandry: a.: Ny ila izay atao ambany rehefa mandry. ¶ M.h.: tehezana. Ahitsio
Ambanimasoandro: (Jar. Ambaniandro. Ahitsio
Ambanina: (ambany), mt. ih. (ambanio): Ivaivaina, heverina ho tsinontsinona: Tsy misy olona azo ambanina na iza na iza. Ahitsio
Ambaniravinkazo: a.: Faritry ny tany hatreo amin'ny ala ka hatrany amin'ny morondranomasina. Ahitsio
Ambanivohitra: a.: Enti-milaza ny faritra ivelan'ny tanàn-dehibe. - t.i.f.: tambanivohitra. Ahitsio
Ambanivolo: a.: Ny ambanivohitra ho an'ny tany amorontsiraka. Ahitsio
Ambany: p.t.: Iva toerana: Ambany kokoa ny tany amoron-tsiraka noho ny ampovoan-tany, ~ h.o.: Tsy mihaja, mahamenatra, mahafabaraka: Ambany saina. / Manana toetra ambany io zazalahy io. 1 p.mt.: Amin'ny toerana akaikin'ny tany na iva: Mipetraha ianao eo ambany fa ny minao aoka ho eo ambony. ? ppk.: Enti-milaza toerana tsindrian'ny...: Misy vola ao ambany ondana ao. 1 Toerana tataovan'ny: Miery ao ambany latabatra ny saka. 1 h.o.: Latsaka no-ho: Ambaniko izy tamin'ny fanadinana. i ambanina, voambany / manambany, fanambany, mpanambany ( anambaniana, fanambaniana J mahambany ( fanambaniny. Ahitsio
Ambara: mt.ih.ft.: Lazaina, aseho amin'ny teny, aposaka amin'ny fitenenena: Izao no ambarako aminareo. / Tsy manan-kambam intsony aho. - t.i.f.: manambara, voambara, fambara / fanambara, mpanambara / anambarana, fanambarana / ambaramamo / tsiambaratelo. Ahitsio
Ambarabahy: a.: Karazan'akondro vaventy. Ahitsio
Ambaraboaka: (Tsm.) a.: A-kondro lehibe telo rirana. Ahitsio
Ambaradeda: a.: Zavamaniry lava ravina, misy vodiny tahatahaka ny longoza, fanao ody maso rehefa avy voatoto na voakiky. Ahitsio
Ambaraka: ppk.: Hatramin' ny, mandraka; (Ny ppk. ambaraka sy mandraka dia toy izao no fampiasa azy: anarana avy amin'ny mt. manomboka amin'ny f mandrakariva no atao eo aorianany izay manaraka ny lalàmpikambanan-teny: Ambarapahafaty (ambaraka fahafaty) fa tsy ambara-pahafatesana; ambara-piveriko (am-baraka fiveriko) fa tsy ambara-piverenako. Ahitsio