Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Amboampe: a.: Ny faritra anoloana amin'ny fe. at? ambonivohitra izany. ? Ny tena ao anatin'ny faritry ny tanàna: Mizara ho fokontany maro Antananarivo ambonivohitra. ? Ny olona mponina an-tanàn-dehibe, izay atao koa hoe Tambonivohitra: Hita ihany ny mahaambonivohitra anareo, Randria: tsy mivoaka raha tsy m ik iraro. Ahitsio
Amboanala: a.: Anarana nome-na ny antokom-biby misy ny babakoto (fer, teny itY) ary matetika aza dia ny babakoto ihany no antsoin'ny maro hoe amboanala. Ahitsio
Amboankena: a.: Ny faritra ambony amin'ny traingon'ny omby. Ahitsio
Amboara: a.: Fehezan-javamaniry voatapaka ary voafehy miaraka: Rehefa voajinja ny vary dia atao amboara ka em tina eny am-pamoloana. 1 A-nentan-javatra iray fehezana, antonona ho entin'ny olona iray mitondra. 1 h.o.: Fiarahan-javatra maro mirindra: Amboaram-peo. Ahitsio
Amboarampeo: a.: Fitambaran' olona manambatra ny feony amin'ny fiaraha-mihira mirindra sy maty paika. Ahitsio
Amboarina: (voatra), mt. ih. (amboary): Enti-milaza zavatra simba izay karakaraina mba hiverina amin'ny toetrany tsara teo aloha: Amboary keiy farafara it9 fa tapa-ka ny tongony. 1 Omanina, karakaraina: Amboary ny sakafon'ny vahiny. Ahitsio
Amboazina: (amboa) mt. ih, (amboazy): Alikaina, atao ho alika: Tsy manaiky aho fa namboazinao. Ahitsio
Ambody: ppk.: Teny mpampiankina enti-milaza toerana amin'ny fototry ny zavatra iray: Nitsilailay teo ambody hazo no nahitako azy. - F,-p.: Tmtra ambody omby: azo eo am-panaovan-dratsy indrindra. ¶ M, h.: an-tanana, tra-tehaka. Ahitsio
Amboho: p.mt. na ppk.: Ao ivoho, ao andamosina: Jereo ao amboho (p,mt.).1 Latsaka ao ambohoko ao ny fihogo (ppk.). Ahitsio
Ambohoina: (voho - amboho) mt. ih. (ambohoy): Avadika amin'ny vohony, amin'ny lafy ratsiny: Ambohoy hoe io sahafa io. Ahitsio
Ambokony: p.mt,: Manaraka ambokony: manàiky be tsy manohitra fa mandeha amin' izao tsy am-piheverana; manàraka an-jamba fotsiny ary tsy mandinika. ¶ M.h.: be, befahatany, ambony ihany. Ahitsio
Ambolena: (voly), mt. ih. (amboleo): Enti-milaza ny zavamaniry na ny voly ampanirina amin'ny tany: Tsaramaso no nambolena tamin'it? tany (Raha ny tany ampaniriana voly kosa no tenenina, dia ny hoe volena no ampiasaina: Hovolena tsammaso itY tany it? amin'ny taona ho auy)• Ahitsio
Ambolo: a.: Karazam-balala kelikely, maitso ny volony. * Ohab.: Ambolo bitaka, ambolo matavy: zava-tsy hay tsy azo ibitabitahana: tsy tokony hitsabatsabaka amin'ny zavatra tsy hay. Ahitsio
Ambolo: ft.: Fahaiza mamantatra zavatra amin'ny fofony. 1 Fikarohan'ny orona amin' izay niavian'ny fofona. 1 Li. f.: amboloina, voambolo ( manambolo, fanambolo, mpanambolo i anamboloana, fanamboloana, Ahitsio
Amboloina: (ambolo), mt. ih. (amboloy): Alexia fofona: Namboloin'ilay alika fotsiny ilay biby nohazaina dia hitany. Ahitsio
Ambolokely: a.: Tapa-kazo kely na ahitra bebe tonony ataon'ny ankizy mianatra manenona ho famahanan-tenona. Ahitsio
Ambolokely: a.: Karazam-balala madinika. Ahitsio
Ambombaina: (mbomba) mt. ih. (ambombao,ambombay): Entina mambomba, manarona: Ambombain'ny reniakoho ny zanany ny elany. Ahitsio
Ambongadiny: p. mt.: Amin'ny antontany na anentany be, mivaingana be na maro be, fa tsy tsikelikely na tsirairay. Mivarotra ambongadiny: tsy mivarotra afa-tsy betsaka ihany fa tsy mivarotra kely na vitsy (mifanohitra amin'ny mivarotra antsinjarany): Omeo kely siramamy lasiroa aho, tompoko. — Mpivarotra ambongadiny a-ho ka tsy mivarotra latsaka ny iray gony. Ahitsio
Ambonimbary: a.: Anana tsy mitango apetraka eny ambonin'ny vary ao am-bilany, Ray efa madiva ho ritra iny ny vary, ka ny etona fotsiny no manamasaka azy eo, Ahitsio