Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ambonina: (ambony), mt. ih. (ambonio): Deraina, hasohasoina. Ahitsio
Ambonivohitra: a.: Renivohitra na tanàn-dehibe mifanahatahaka amin'ny renivohitra: Mandany be izany mivelona Ahitsio
Ambontso: a.: Trondron-dranomasina misy vombony te-Io eo an-tampon-damosihy ary roa amin'ny fanambaniny; tsara nofo fa sady matsiro no malemy mora levonina (2040 am). Ahitsio
Ambony: p.t.: Amin'ny toerana avoavo kokoa miolotra amin'ny hafa: Any amin'ny rihana ambony izy no mipetraka. 1 h.o.: Mihoatra amin' ny fahavo, amin'ny laharana: Ny jeneraly dia ambony no-ho ny kolonely. / Ambony fahaizana izy. 1 Fotoana ho avy: Hosoloako vao itY fiarako lb> amin'ny taona ambony. - t.i.f.: ambonina ) manambony, fanambony, mpanambony ) anamboniana, fanamboniana / fahambony ) fahamboniana. 1 ppk,: Enti-milaza toerana mifanaingina: Efa eo ambonin'ny toko ny vilany. 1 Enti-milaza toerana mihoatra fa mifanitsy: Mandeha any ambony lohantsika ny zanabolana. 1 p.mt.: Enti-milaza toerana avo: Mikendre ambony lalandaua. - Amboniny na ambony ampanga: mihoatra; ma-nome zauatm amboniny, ambony ampanga. Ahitsio
Ambora: a.: Hazo mafy sy mateza tsy mety lo ka nanaovan'ny Ntaolo vata fandevenana ny Andriana. Natao fanompoana mihitsY ny fakana ambora ka izay voatendry nefa manao alasafay dia nosazin'ny mpibaiko ka nampilanjainy hazo sendra teny; izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: Todin'ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra: enti-milaza ny sazy miandry izay manao tsirambina ny adidiny. (Monimiacées tambourissa). • A-zo ampiasaina ho fanaovana gararaka sy fanontsanam-bava koa ny hoditry ny ambora sy ny voany. Ahitsio
Amboradara: a.: Fomban-jaitra izay anasiana loadoaka kely madinika ny lamba mba ha-tao haingony. Ahitsio
Amboramaitso: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny fakany (Strychnopsis thouarsii). Ahitsio
Amboramangidy: a.: Hazo izay mangidy fatratra ny voany. Ahitsio
Amboramanitra: a.: Karazankazo ahazoana dity manitra. Ahitsio
Amborasaha: a.: Zavamaniry fanao ody tazo manampy ny kininina ny fakany, sady manakely ny atodintazo (Burasaia madagascarensis), Ahitsio
Amborasamanitra: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny fakany sady manakely ny atodintazo (Burasaia gracilis). Ahitsio
Amboravato: a.: Hazo izay mafy fatratra. Ahitsio
Amborifotsy: a.: Ny onja mifanena ka mifandona, na midona amin'ny vatolampy, ka mandroatra fotsy sy mamorivory. Ahitsio
Amborodao: a.: Sary mievotra vita amin'ny kofehy apetaka amin'ny lamba. ? Galona, ravaky ny fitafian'ny manamboninahitra. Ahitsio
Ambosina: (ambosy), mt. ih. (ambosio): Amporisihina, tarihina, taomina, angolena (na amin'ny tsara na amin'ny ratsy): Nambosin-dRabe tsy hiasa ny mpiasa rehetra. Ahitsio
Ambosy: a.: Famporisihana olona hanao zavatra iray. ? Famporisihana, famokisana olona tsy hanaiky, tsy hankasitraka. - t.i.f.: ambosina, voambosy / mambosy, fambosy, mpambosy / ambosiana, fambosiana / manambosy, fanambosy, mpanambosy / anambosiana, fanambosiana I mahambosy. Ahitsio
Ambotonona: a.: Hazo madinika, karazana vahy, ampiasain'ny olona hatao famotsianify. Ahitsio
Ambotony: (Btl) a.: Teny ilazana ny omby mbola vantobantony nefa matanjaka. Ahitsio
Ambovo: a.: Teny tsY dia ma-naja Ioatra iantsoan'ny ankizy ny ray amandreny ao an-trano: Ao ue, letsy, ny am bo uonareo ? Ahitsio
Ambozizy: a.: Fanaovana ankeriny, an-ditra, izany hoe tsy am-piheverana fa manao izay hahavitan'ilay zavatra fotsiny. ¶ M.h.: Manao ambozizy, manao an-keriny, manao anditra, manao an'aina, manao anteninaina, manao ankinjitra, manao anezaka, manao amborivory, manao anjolofo, manao angovy, manao letrezana, manao teti-dromotra, manao ambohika, manao angidana, manao andrezatra, manao ambezatra, manao amboletra, manao lemozy, mivatravatra, mitratrevatreva, mahery vaitra, mahery vaika, manao torikisina, manao terisetra, manao terivaimanta, manao ambodihidy, manao anjakanjaka, manao toton-dreniomby, manao toton'omby bory. Ahitsio