Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ampahadimy: a.: Ampahany amin'ny zavatra nozaraina dimy: Omeo azy ny telo ampahadimin'io mofomamy io. Ahitsio
Ampahafito: a.: Ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina fito: Enina ny roa ampahafiton'ny iraika amby roapolo. Ahitsio
Ampahafolo: a,: Ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina folo: Enina ampahafolon' ny atody nakotriko no foy. Ahitsio
Ampahany: a.: Tapany, ilany: Misy ampahany amin'it>, lalana it? mbola tsy vita tsaamborifotsy ra. 1 Sasany: Nisy ampahany tamin'ny mpivory tsy nanaiky tsy nandà. Ahitsio
Ampahany: a.: Fizarazarana mitovy ny venty na vongana iray ka ny filaza azy amin'ny kajy dia amin'ny alalan'ny tarehimarika roa mifanao ambony sy ambany sarahin' ny tsipika roa, ka ilay ambany milaza ny isa nizarana ny vongana, ary ilay ambony, ny isa nalaina tamin'ireo fizarazarana, oh. 3/7, ampahany milaza fa nozalaina 7 ny venty ka 3 no nalaina tamin' izany. Ahitsio
Ampahasivy: a.: Ampahany iray amin'ny zavatra nozaraina sivy. Ahitsio
Ampahatelo: a.: Ny ampahan' ny zavatra iray izay nozaraina tain mitovy. Ahitsio
Ampahavalo: a.: Ampahany iray amin'ny zavatra zaraina valo. so; / mamoaka ampahibemaso: milaza mba ho fantatry ny olona rehetra: Efa namoaka lalàna ampahibemaso momba izany ny fanjakana. Ahitsio
Ampahefatra: a.: Ampahany iray amin'ny zavatra nozaraina efatra: Ny ampahefatry ny roapolo dia dimy. Ahitsio
Ampahenina: a.: Ny ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina enina: Mitovy ihany ny antsasany sy ny telo am-paheniny. Ahitsio
Ampahibemaso: pin t.: Ankarihary, anoloan'ny olona rehetra ary tsy afinafenina: Tsy niafinafina akory izy nanao izany fa teo ampahibemaso tao. a F.-p.: Milaza ampahibemaAmpalesina na Ampalina (ampaly) mt. ih. (ampaleso, ampalio): Lamaina amin'ny ampaly, izany hoe atao malambolambo tsara (fiteny amin' ny hazo, taolana, tandroka na ny metaly fotsiana koa aza). 1 H. o.: Enti-milaza zavatra hatsaraina fatratra ny filaza azy mba hahafinaritra ny mpihaino na mba tsy hanafintohina ny sasany. ~ Fiten.: Miteny iray toa novankonina, miteny iray toa nain pales ma: enti-milaza o10-na roa na maro samy mahay miteny, ka izay rehetra mise-ho mahavaky vava daholo, na dia tsy mitovy akory aza ny zavatra lazainy. Ahitsio
Ampahimandry: (Tsm) a.: Longoa, hady na lavaka tsatohana volotsangana na hazo maranitra mba hamandrihana lambo. Ahitsio
Ampaingo: a.: Fato-pohy, gadra fohy (jer. parapaingo). Ahitsio
Ampaingoina: (paingo) mt, ih. (ampaingoy): Enti-milaza ny olona asiana gadra ny tongany, na ny vorona asiana fatotra ny tongony. Ahitsio
Ampaka: a.: Loka kanety ataon'ny ankizy: izay mahafaty dia maka ny kanetin'ny resy: Ampaka roa, / ampaka telo: kanety roa, telo no indray alain'ilay maharesy. Ahitsio
Ampala: (Ski) a.: Folon-dambo filalaovana misy sari-na lehilahy mitondra famaky. Ahitsio
Ampalibe: a.: Hazo Inhibe tsy fahita afa-tsy amin'ny tany mafana, be tavolo ny voany ary anisan'ny lehibe indrindra amin'ny voankazo rehetra fa mety mahatratra 15 kilao; ny tsirony, mamy sy matsiro, saingy misy fofony maherihery kosa. Ahitsio
Ampalo: (Ski) a.: ftivotra avy any andrefana. Ahitsio
Ampaly: a.: Haro madinidinika misy raviny maraorao ka ampiasaina ho fanadiovana, fandamana na fandambolamboana zavatra, toy ny hazo. Ahitsio
Ampamaky: a.: Anaran-karatra Ahitsio