Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ampamatoran-janak'omby: p. mt.: Mari-potoana folakandro ilay mby amin'ny toerana famatorana zanak'omby iny ny taratry ny masoandro tao amin'ny tranon'ny Ntaolo, izany hoe eo amin'ny 3 ora amin'ny famantaranandro ankehitriny. Ahitsio
Ampamelomandroa: a.: Halavan-drefy hatreo an-tendrondrantsantanana havia ka hatramin'ny hitsin'ny nono havanana, izany hoe mitovy amin'ny efa-jehy sy sasany, na voantondro efatra amby dimampolo. Ahitsio
Ampamelomantokana: a.: Halavan-drefy hatreo an-tendron-drantsantanana havia ka hatramin'ny hitsin'ny no-no havia ihany koa, izany hoe telon-jehy sy sasany na voantondro roa amby efapolo. Ahitsio
Ampamoaka: a.: Fanadinana fakana am-bavany, fanadihadiana, famotopotorana, f amakafakana: Nampanao ampamoaka momba ilay halatra omaly tao amin'ny Tranombola ny fanjakana. Ahitsio
ampamohalambo:tanàna be famoalambo:zavamaniry fatao fanafody.Dia izany no nahatonga ny anaran'ilay tanàna Ahitsio
Ampamolahana: a.: Halavandrefy hatreo amin'ny tendron-drantsantanana iray ka hatramin'ny filefitry ny kihon'ny tanana ilany (refy latsaka hakiho no halavany). Ahitsio
Ampanarahina: (araka), p. t.: Enti-milaza ny ombivavy ampiraisina amin'ny ombilahy mba hahazoana taranaka. Ahitsio
Ampanataovana: a,: Toerana misy fanataovana, izany hoe antontam-bato na zavatra ha-fa eny amoron-dalana izay natsipin'ny mpandalo nivoady na nangata-javatra. Ahitsio
Ampandraofana: a.: Halavandrefy hatreo an-tendrondrantsantanana ka hatramin' ny afovoan'ny felatanana, izany hoe mitovy amin'ny antsasa-jehy na voantondro enina. Ahitsio
Ampanga: a.: Karazan-kazo madinika maniry eny an-tanety somary misy fasika; ny raviny mizarazara maro madinika. Ahitsio
Ampanga: ft.: Fitoriana olona ho nanao ratsy. - t.i.f.: ampangaina, voampanga / miampanga, fiampanga, mpiampanga / iampangana, fiampangana / mahampanga. ? F.-p.: Ampanga fisaka: fiampangana miharo fanendrikendrehana, hasomparana; / ampanga lainga: fiampangana mifototra amin'ny lainga; / ampanga vilana: fiampangana mihoa-pampana; / miampanga tena: miaiky ny hadisoan'ny tena. Ahitsio
Ampangaina: (ampanga), mt. ih. (ampangao): Tondroina ho nanan ratsy, tonna: Ampangainao ho nanao izany a-ho, nefa tsy teto akory aho tamin'io fotoana io. Ahitsio
Ampangandrano: a.; Zavamaniry fanao fanafody mamono ny sakoitra (Marattia fraxinea). Ahitsio
Ampangatsiahina: (hatsiaka), mt. at. (ampongatsiaho): A-tao tonga mangatsiaka. Ahitsio
Ampango: a.: Takela-bary mai-na maimay sady manitra miraikitra amin'ny vody vilany nahandroana azy. - F.-p,: Ranon'ampango: rano nampangotrahina miaraka amin'ny ampango ka manjary mivolom-bolamena antitra ary fisotro manana tsiro sy hanitra manokana (atao koa hoe ranovola). * Ohab.: Mikoan'ny nahiny ohatra ny ampango tra-maraina: miala ho azy amin'ny nahim-pony fa tsy ilaina esorina akory rehefa tonga ny fotoanany. Ahitsio
Ampangorimbary: a.: Anaran' ahitra madinika mani-pof o-na. Ahitsio
Ampangoro: a.: Vary andrahoina atao nitra ny ranony ka somary may kely aza ny vody vilany ary misy takela-bary may miraikitra aminy izay antsojna hoe ampango, niavian'it? teny ¶ M. h.: vary maina. Ahitsio
Ampanjahanina: (zanaka), mt. at. (ampanjahàno): Tsy avala hikotrika, sakanana tsy hikotrika (akoho). Ahitsio
Ampanjanahina: (zanaka), mt. at. (ampanjanàho): Ampisamborina misy zanany: Te-Io alina izao ny volan-dRangahy io ampanjanahiny any rehetra any. Ahitsio
Ampanjatoana: na Ampiravahana a.: Halavan-drefy hatreo an-tendron - drantsantanana ka hatramin'ny fisasahan'ny lanton-tsandry, izay matetika fasiana ny firavaka amin' ny tanana (mitovy amin'ny irain-jehy sy sasany, na voantondro valo ambin'ny folo). Ahitsio