Alarobia | : | a.: Andro fahefatra amin'ny herinandro; araka ny finoan'ny Ntaolo, dia tononandro ratsy ny alarobia sa-tria ny alarobia, hono, tsy miverina: fanaovana famoizana, afana, famadihana ny maty, fitomaniana raha mana-maty, ary izany no nahatonga ny andro alarobia ho andro famangia-manjà. ? A-naran-tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Ahitsio |
Alasitra | : | (lasitra), mt. fit. (alasiro): Entina mandasitra, izany hoe manongo mafy maharary: Hoho maranitra no nalasiny ny sandriko ka votsotra mihitsy ny sandriko.
Ahitsio |
Alatrano | : | p. mt.: Eny ivelan'ny trano, ka ny tokotany manodidina ny trano indrindra no antsoina amin'izany: Asaiuo mivoaka any alatrano ireo ankizy ireo fa mitabataba tsy ifandrenesana.
Ahitsio |
Alatsa | : | (latsa), mt. fit. (alatsao) Enti-mandatsa, ampiasaina mba handatsana.
Ahitsio |
Alatsaka | : | (latsaka), mt. at, (alatsaho): Ampidinina ao anaty lavaka, ampidinina avy ambony: Nalatsaka ny vatofantsika dia tsy nihetsika ny sambo. 1 Ahintsana mba hianjera, hiraraka: Alatsaho ireo voankazo ireo. 1 Apetraka, arafitra: Nalatsany tsara ve ny biriky? ~ Aiditra: A-latsaho amin'io kolejy io ny zanakao fa tsy hanenenanao. / Nalatsaka tao an-tranomaizina izy tamin'ny alarobia.
Ahitsio |
Alatsinainy | : | a.: Andro faharoa amin'ny herinandro; araks ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. ~ Anarantanàna anaovana tsena amin' io andro io.
Ahitsio |
Alatsy | : | (latsy), mt. fit. (alatsio) Entina manamafy.
Ahitsio |
Alavo | : | (lauo), mt. at. (alauoy): Azera amin'ny tany, apotraka.
Ahitsio |
Alavorary | : | (lauorary), mt. at. alauorario): Atao tonga lavorary, tsy misy tsininy, tomombana: Alavorario ny toetranao.
Ahitsio |
Alaza | : | (laza), mt. at. ( alazao): Enti-milaza ny zavatra lazaina: Mono avy no nalazany? ? Torina, ampangaina: Nalazany tamin'ny rainy ilay zazalahy nihetraketraka azy.
Ahitsio |
Alazo | : | (lazo), mt. at. (alazoy): Atao tonga malazo.
Ahitsio |
Albasitra | : | (fr. albâtre) a.: Karazam-bato fotsy manganohano: Tauoara albasitra.
Ahitsio |
Alefa | : | (lefa), mt. at. (alefaso): Asaina, avala mandeha: Nalefany tany Amerika ny zonany. ~ Atoraka, atsipy: Nalefako ilay vato ka voa ilay voronkely. / Alefaso ny baolina. • Afahana, votsorana: A-lefaso ilay voronkely azonao omaly fa mampalahelo. / Nalefon'ny fanjakana ireo gadra politika.
Ahitsio |
Alefaka | : | (lefaka), mt. at. (alefaho): Tonena: Alefaho amin' ny teny malemy rainao.
Ahitsio |
Alefitra | : | (lefitra), mt. at. (alefero): Aforitra, atao milefitra: Alefitry ny riuotra ny volotara fa tsy tapaka.
Ahitsio |
Alefolefo | : | (lefolefo), mt. at. (alefolefoy): Atao tonga mora milefitra, malefaka.
Ahitsio |
Alefona | : | (lefona), mt. fit, (alefony): Ilazana ny zavatra entina manatrobaka, entina mandefona: It? uy maranidoha it? alefona ny lambo.
Ahitsio |
Aleha | : | (leha), mt. at. (aleho): Enti-milaza ny toerana ifindrana an-tongotra, (¶ M.h.: andehanana: Aiza no halehantsika rahampitso? / Tsy hitako izay nalehany.
Ahitsio |
Alelaka | : | (lelaka), mt. fit. (alelafo): Enti-milelaka, ampiasaina mba hilelafana.
Ahitsio |
Alelalela | : | (lelalela), mt. at. (alelalelao): Arehitra midedadeda: Aza alelalela toy izao ny afo. ~ Asaina na'avela mikiakiaka: Aza alelalela ireo ankizy ireo fa mankarenin-tsofina.
Ahitsio |