Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Alikalika: (alika), p. t. : Dongadonga, botrabotra (fampiasa amin'ny zazakely). Ahitsio
Alikisa: (ailika isa), p. t.: Be dia be tsy tambo isaina, zavontany: Alikisa ny kintana eny an-danitra. Ahitsio
Alimanaka: (fr. almanach) a.: Boky misy ny datin'andro rehetra amin'ny herintaona, fanisana andro. Ahitsio
Alimbolo: a.: Ny fotoana iotrehan'ny voankazo ao anaty lavaka, - t.i.f.: mialimbolo. Ahitsio
Alimiaina: p.t.: Be dia be, mihetsiketsika, mihahohaho: Alimiaina ny olitra amin'io fromazy io. Ahitsio
Alin-tsara: (Atb), a.: Alina farany amin'ny fankalazana ny hasoavana, izay lanina amin' ny hfra sy dihy; miari-tory daholo ny olona rehetra ary fadina ny firaisana ara-nofo. Ahitsio
Alina: a.: Fotoana tsy anazavan'ny masoandro ny tany, izany hoe hatramin'ny ilentehan'ny masoandro ka hatramin'ny iposahany indray ka itankizinan'ny tany ao anatin'ny haizina: Tonga ny alma: indreny mimpendrampendrana ny kintana eny amin'ny lanitra ~ h.o.: haizina: Ao anatin'ny alin'ny tsy fahalalana. lany andro, very fotoana, tratra aoriana: Alina foana eo ianao raha hiandry azy, - t.i.f.: alinina f manalina, fanalina,, mpanalina / analinana, fanalinana / mialina, fialina, mpialina / ialinana / ialemana, fialemana 1 halemana, fahalemana / mahalina, mihalina / halina, rahalina / mamatonalina, - F.-p.: Anio alma: teny ilazana ny alin'ny andro iresahana; j alin'iny, alin'io andro io: ilazana ny alin'ny andro resahina na tenenina; / raha alma: amin'ny alina: Mitondra fanala ny olona moka dokotera raha alina;'/ mhalina: anio alma: Hovitaiko rahalina it? osa it?; / halina:tamin' ny alma farany tao: Nisy nitoraka ny tranonay halina; / ali-mainty: alina maizim-bolana; / alim-pahana: fotoana ipetrahan'ny fahana ao anaty basy — fotoana iomanana sy ikenonkenonana alohan' ny fanasana; /alim-pito: alina maizina dia maizina; / alim-pody: alfna foana vao mody an-trano; / alin-dratsy: alin'ny andro voalohany amin'ny Fandroana izay odian'ny vady misintaka ao anyokantrano indray; / alindroa: indray alma sy indray andro lanina amin'ny torimaso; / alin-kely: toetr'andro manjombonjombona noho ny setroky ny mpanao tevy any an'ala; alin-taona: entimilaza ny voankazo maharitra hatramin'ny tonon-taona manaraka, na ny voankazo malady masaka, alohan'ny fahataperan'ny teo aloha; / mandraka alma: miasa na manao zavatra mandritra ny alina manontolo ka tratran' ny maraina; / manao alindroa: matory indray alma sy ny andro manaraka an'iny; / manao latsaka alma: mangalatra mandritra ny alina; / misaina alina: mieritreritra lava mandritra ny alina fa tsy matory; / miuoaka alma: entimilaza ny mpamosavy. Ahitsio
Alina: p.i.: Arivo folo na arivo impolo; raha atao tarehimarika, dia 10.000: Dimy ariuo sy telo alma ariary no uidin' it? tany it?. - t.i.f.: alinalina, mpanalina. Ahitsio
Alinalina: p.t.: Be dia be tsy tambo isaina, zavontany. Ahitsio
Alinina: (alina), mt. ih. (alino): Tazonina hatramin'ny fahatongavan'ny alma: Loza Ra-koto iny raha hiresaka: nalininy tany aminy aho ka raha tsy efa tapi-mandry ny olona tsy nalefany. Ahitsio
Alinjinery: a.: Taloha, teny nandikana ny antsoina ankehitriny hoe injeniera. ~ Mpilanjan'ny andriana, izay na-nana sanga tao an-katoka. Ahitsio
Alinkely: a.: Fotoana isian-javatra manjavozavo toa setroka, izay manalefaka ny hazavan'ny masoandro: Mandoro tevy (na tavy) ny any an'ala, hoy ny filazan'ny Ntaolo. Ahitsio
Alitara: (lat. altare), a.: Drina vato avoavo marin-tampona voavoatra hametrahana sy hanolorana ny sorona amin' ny fanompoam-pivavahana, (fer: Otely), Ahitsio
Aliziny: a.: Filaharan-tsikidy. Ahitsio
Aljebra: (fr. algèbre), a.: Antokon-tsiansa ianarana mandinika ny lalàn'ny isa sy mampiasa ny isa araka izany lalàna ankapobeny izany. Soloana litera ny tarehi-marika amin'ny aijebra, ka, araka izany, dia fanatsorana sy~ fanitarana ny fitadiavana ny vahaolana amin'ny fanontaniana iray fomba na iray tarika izy. Ahitsio
Alkaola: (fr, alcool), a.: Ranon-javatra mahery azo avy amin'ny fanasitiliana amin' ny lalambika ranon-javatra hafa (zavapisotro, hazo notenehina, faikan-kodi-boaloboka, beteravy, lasantsim-boninkazo...). Ny ilana ny alkaola dia hanaovan'ny olona zavapisotro mahamamo na karazan-javatra mahasoa: vinaingitra, ranomanitra, fanafody, varinesy. Ahitsio
Alo: a. ft.: Manana hevitra irai-sana hoe: mpanelanelana na fitaovana enti-manao zavatra tsy mivantana; olona asaina manelanelana amin'ny antokon'olona roa tonta. • Fatorana enti-manasaraka ny kofehy alohan'ny hanenomana. • Fandoarana ny vary na ny laoka na ny rony avy ao ambilany ho ao anaty lovia. • Fanatsobohana ny vary antsotro ao anaty lovia misY ny ro. - t.i.f.: alozina, voalo / mialo, fialo, mpialo ) ialozana, fialozana / manalo, fanalo, mpanalo / analozana, fanalozana, aloalo. Ahitsio
Alo: a.: Teny ilazana karazan' aretin-jaza vitsivitsy: alobotra, alofisaka, alomanehaka (fer. ireo teny ireo). Ahitsio
Alo: a.: Tevana, fampana. i t.i.f.: lohalo. Ahitsio
Alo: a.: Karazana gidro misa, volony mivolom-bolafotsy. Ahitsio