Aloioka | : | (lozoka), mt. at. (alozohy): Asaina ilofosana, iezahana.
Ahitsio |
Aloka | : | a.: Faritra maizina ao ivohon'ny zavatra iray voataratry ny hazavana: Mipetrapetraha eo amin'ny alok'it? trano it?. • Toerana voaro amin'ny hainandro: Er? no misy aloka hisakafoantsika. • t.i.f.: alofana, aaloka, voaloka, tafaloka / manaloka, fanaloka, mpanaloka / analofana, fanalofana / mialoka, fialoka, mpialoka / ialofana, fialofana / mahaloka ) alokaloka / maloka. - F.-p.: Alok'akoho: aloka kely tsy maharo firy; * Ohab.: Nanao tsy ho tratry ny aloka, kanjo tratry ny alok'akoho: nihevi-tena tsy ho voan-javatra na oviana na oviana, kanjo zavatra kely foana dia nahavoa. / aloka avivitra: aloka madiva hidify; • h.o.: Sakaiza nantenaina nefa nitsoa-pahana amin'ny loza na voina naazo ny tena; / manitsaka alok'oiona: miavona sy mireûareha amin'olona.
Ahitsio |
Alôka | : | (loka), mt. at. (alokao): Atao loka, enti-milaza izay ifanambazana: Vola sa zavatra àry no haldka?
Ahitsio |
Aloka | : | a.: Fahitana ny fanahy raha mbola velona izao ny vatana, amin'ny aloky ny te-na tarafin'ny hazavana, samy hafa amin'ny tandindona (jereo itj') . Voalazan'ny Ntaolo fa misy aloka intelo miantoana hita amin'izany: ny aloka mainty (ny vatana), ny aloka ambonin'ny mainty (ny ambiroa) ary ny aloka ambony indrindra (ny avelo)
Ahitsio |
Alokely | : | a.: Vary vitsivitsy (raha maro izy dia atao hoe alobe) maningana masaka alohan'ny namany rehetra eo am-paniriana eny an-tanimbary. - F.-p.: Manao alokely: entimilaza ny vary masaka alohan'ny namany ka mova tsy ny manaloka kely azy ireo.
Ahitsio |
Aloko | : | (loko), mt. fit. (alokoy) Entina mandoko; ampiasaina mba handokoana.
Ahitsio |
Alokola | : | a.: Laharan-tsikidy fahafito amin'ny sikidy alanana.
Ahitsio |
Aloloha | : | (loloha), mt. at. (alolohavy): Atao andoha: Alolohavy ahy kely it? siny
Ahitsio |
Alomanehaka | : | a.: Aretin-jaza mahatonga azy hisefosefo la-va, ho mora misanehaka.
Ahitsio |
Alomano | : | (lomano), mt. at. (alomanosy): Asaina na avala milomano.
Ahitsio |
Alona | : | a.: Karazan'onja madinika izay hita soritra noho ny fivalombalony eny ambony rano eny. - t.i.f.: manalona.
Ahitsio |
Alona | : | a.ft.: Enti-milaza alahelo noho ny soa azon'ny sasany. - t.i.f.: alonina / mialona, fialona, mpialona / ialonana, fialonana.
Ahitsio |
Alonika | : | (ionika), mt. at.: Atao izay hahatonga osaosa.
Ahitsio |
Alonilony | : | (lonilony), mt. at. (alonilonio): Atao izay hahatonga malonilony, sosotsosotra, kitokitoina.
Ahitsio |
Alonina | : | (alono), mt. ih. (alony): Ananan'ny sasany alahelo noho ny soa azony na ananany: Nalonin'ny namako aho tamin'ny laharana ambony azoko tamin'ny fanadinana.
Ahitsio |
Alonjehitra | : | (lonjehitra), mt.at. (alonjehero): Atao milonjehitra, aforitra hitanondrika ny loha.
Ahitsio |
Alopilopy | : | (lopilopy), mt. at. (alopilopio): Atao mitsilopilopy, mipendrampendrana.
Ahitsio |
Alotsaka | : | (lotsaka), mt. at. (alotsafa): Atsoboka, asitrika ao anaty rano.
Ahitsio |
Alovo | : | a.: Trondron-dranomasina tsara nofo matsiro, mahatratra 50 sm ny halavan'ny vatany.
Ahitsio |
Aloy | : | Aloiloy a.: Karazana lalitra madinika kely izay manidintsidina manao andiany be dia be rehefa takariva, na aorian'ny orana, ary velona ora vitsivitsy monja.
Ahitsio |