Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Alozina: (alo), mt. ih. (alozy): Entin-teny: Tsy alozin-teny amin'ny lehibe aho fa afaka miresaka mivantana. ? Loarana: Raha nalozina auy tao am-bilany ny laoka ka natao tao anaty louia, tsy tratra ny saka nandrombaka ny henan' Moto. ~ Atsoboka: Tsy natondraka ny ro, tompoko, fa alozy ao anaty tsatokaty misy ny ro akaikinareo m'y ny varinareo raha tianareo. Ahitsio
Alozoka: (loxoka), mt. fit. (alozohy): Enti-milaza ny hazo anaovana lozoka: Haxo bortbory sady mafy tsara haloxoka it?. Ahitsio
Alzerianina: (fr. algérien) a.: Ny firenena monfna any amin' ny tanin'i Alzeria (Afrika avaratra eo anelanelan'i Tonizia sy Maraoka): Manaraka ny fivauahana silamo ny Alzerianina. ? p.t: Momba an' i Alzeria na an'i Alzeria na avy any Alzeria: Niady mafy ny mponina aizerianina vao nahazo ny fahaleouantenany. Ahitsio
Am-pandronjinana: p. mt.: Eo amin'ny toerana an-kilahila ifanosehana. Ahitsio
Am-parakatsakatsaka: p. mt.: Any lavitra dia lavitra tsy hi-ta any. Ahitsio
Am-perinasa: (am-perin'ny a-sa): Eo am-panaovana, eo ampanatanterahana ny asa (izany hoe amin'ny fotoana mbola ahitana ny ferin'ny tany asaina). Ahitsio
Am-pianahana: p. mt.: Miarabe amim-pianakaviana: Tsy ao angaha Rabe ato avaratra, tompoko? —Lasa omaly ampianahana any Toamasina izy. Ahitsio
Am-pitotoam-bary: p. mt.: Mari-p otoana folakandro ilay mby amin'ny toerana fitotoam-bary iny ny taratry ny masoandro tao amin'ny tranon'ny Ntaolo,izany hoe eo amin'ny 2 ora amin'ny famantaranandro ankehitriny. Ahitsio
Am-po: (antokon-teny roa an sy fo tonga karazana fototeny). - t.i.f.: ampoizina, manampo, fanampo, mpanampo / anampoizana, fanampoizana. Ahitsio
Am-pofoana: f.-p.: Eo ambony fe sy ranjo miforitra: Eo ampofoana no efa manomboka ny fanabeazana ny ankizy. Ahitsio
Amailaka: (mailaka), mt. at.: Atao tonga maflaka. Ahitsio
Amaimbo: (maimbo), mt. fit.: Entina manamaimbo. Ahitsio
Amainty: (mainty), mt. fit.(amaintiso): Entina manamainty. Ahitsio
Amaitso: (maitso), mt. fit. (amaitsoy): Entina manamaiteo. Ahitsio
Amalomalandy: na Amalompotaka a.: Karazan'amalona fotsy na mavomavo ny kibony ka izany no nahatonga ny anarany hoe amalomalandy; nefa noho izy mandray ny volon'ny toerana misy azy, dia mety haka ny volom-potaka koa izy, ka io no nahazoany ilay anarana faharoa. (Halavany: 80 sm eo ho eo; habeny: ohatra ny sandry). Ahitsio
Amalombandana: na Driatra (Ski) a.: Karazan'amalona lehibe mety mahatratra 1,5 m. ny halavany ary ohatra ny fe ny habeny. Ahitsio
Amalompotaka: a.: Jer. Amalomalandy. Ahitsio
Amalona: a.: Karazana hazandrano lavalava vatana malamalama, izay tsara hena fatratra. Ny amalona dia mety hahatratra 70 sm ny halavany; tsy azo hazaina izy raha mbola latsaka ny 30 sm. Ny amalona dia midina any andranomasina rehefa hanatody. * Ohab.: Raha tonga ny amalom-boasim, tsy manankavana afa-tsy ny maty aho, fa raha tonga ny asa cadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina: enti-milaza olona tia tena fatratra izay tsy mahalala na iza na iza rehefa ao anatin'ny fiadanana, nefa kosa midodododo manatona ny hafa rehefa misy mahaporitra. / Amalon' Imoriandro: tsy hain-jaza tsy haim-behiuatiy: enti-milaza toe-draharaha sarotra tsy hain'ny sarambabe halana olana. / Na fy axa ny amalona, ny ielako tsy ataoko jono: enti-milaza fahamalinana: na toy inona na toy inona hasoan'ny zavatra iray, tsy tokony hatakalo an'io na oviana ny aina. Ahitsio
Amana: ppt.: Teny mpampitohy enti-mampitohy anarana na mpamaritra anarana roa, izay efa mahazatra ny olona ny mampiaraka azy: Vady aman-janaka. / Na dia kely amana bitika aza izahay dia manana ny maha-izahay anay. Ahitsio
Amandina: (mandina), mt. fit. (amandino): Entina manamandina. Ahitsio