Amanga | : | (manga), mt. fit. (amangao): Entina manamanga
Ahitsio |
Amangana | : | (mangana), mt. fit. (amangano): Entina manamangana, ampiasaina mba hanamangana.
Ahitsio |
Amaninomby | : | a.: Fivalanandranon'omby ampiasaina amin'ny fanaovana naitrara.l
Ahitsio |
Amanja | : | (manja), mt. fit. (amanjao): Enti-manamanja.
Ahitsio |
Amany | : | na Fivalanandrano a.: Rano maloto avy amin'ny tenan'ny olombelona, izay miforona ao amin'ny voa ary miangona ao amin'ny tatavia alohan'ny hivoahany any ivelany. ¶ M.h.: fivalanan-drano, siritra. - t.i.f,: amaniana, voamany / mamany, famany, mpamany / amaniana, famaniana / amaninombY. - Amanin-tsahona: enti-milaza ranon-javatra kely dia kely, toy ny hoe indray mitete; / marary famaniana: mahatsiaro marary rehefa mivalandrano; / namany andaua-bitsika: aretina mahatonga ny ankasarotana hamorifotra (lazain'ny Ntaolo fa ny mivalan-drano eo ambony lava-bitsika no mahatonga izany).
Ahitsio |
Amara | : | (Ski) a.: Mahazaka atao amin'ny hozatry ny voanio.
Ahitsio |
Amato | : | (Ski) a.: Andry ampovoany amin'ny rindrina.
Ahitsio |
Ambadika | : | ppk.: Enti-milaza ny toerana ao ivohon'ny zavatra iray: Miery ao ambadiky ny hazo ao izy, ~ F.-p.: Tany ambadik'Imanareza: enti-milaza zavatra nitranga efa ela dia ela ka tsy hita izay hiraharahana azy intsony.
Ahitsio |
Ambadika | : | a.: Karazana diamanga na daka, mitovitovy amin'ny kapatokana (jar.): mihodina tampoka ilaY namely, amin'ilay tsy ampoizin'ilay mikatroka aminy iny, dia alefany any andamosina ny tongony - indraindray ny felatanany amin'izay mitehina amin'ny tany - ka mafy fiantefa izaitsizy izany, manoatra noho ny tsipaka anoloana na ny kopala. - F.p.: Mamely ambadika: mamely am-pitaka; mamadika.
Ahitsio |
Ambainday | : | (ambay, lm') a.: Ny halavan'ny sakan'ny lamba anaovana ny lay, na ny halavan'ny lafn-tsambo, izay iankinan'ny tanjany sy ny heriny. 1 h.o.: Ny halehiben' ny fivelatry ny asa na zavatra iray: Mihevitra ny hanitatra ny ambaindain'it? orinasa it? aho.
Ahitsio |
Ambaka | : | na Ambakavaka ft.: (It? faharoo it? no fampiasa kokoa): Fiambatrambarana na fiakanakanana rehefa miteny ka tsy mahatohy izay lazaina raha tsy miatoato kely hatrany. - t.i.f.: miambaka, fiambaka, mpiambaka / iambakana, fiambakana.
Ahitsio |
Ambaka | : | (Tsm) a.: Fomban-tolona omby atao toy izao: ny tanana havanana mitazona ny trafony ary ny havia kosa manodidina ny vozony.
Ahitsio |
Ambàka | : | ft.: Fifetsena, lainga hamitahana ny tsy mahalala, tetika hangalarana mba hahazoana tombony, na amin'ny varotra na amin'ny lalao. - t.i.f.: ambakaina, voambaka / manambaka, fanambaka, mpanambaka / anambakana, fanambakana.
Ahitsio |
Ambaka | : | noho p.mt.: Latsadanja, ambany, tsy mahaleo, tsy tsara, tsy mahay: Ianao ue dia ho ambaka noho ny zandrinao? ~ Tsy ambaka noho: tsy latsa-danja, mitovy na tafahoatra kokoa no-ho: Tsy ambaka noho ny teny hafa ny teny malagasy.
Ahitsio |
Ambakaina | : | (ambaka), mt. ih. (ambakao): Fitahina amin' ny varotra, na eo amin'ny lanjany, na eo amin'ny fatrany, ans: Nambakain'ny mpivarotra ianao, anaka, raha io no hena-na dimampolo. ~ Fitahina noho ny fahatsorana be loatra na ny tsy fahalalana: Ny adala no tsy ambakaina: Andriamanitra no atahorana (ohab.).
Ahitsio |
Ambakambakany | : | (t.tr.) a.: Vakivakim-bola.
Ahitsio |
Ambakiloha | : | a.: Teny ilazana lamba kely ila, izay tsy mba ambainy roa mitovy no avitrana fa ambainy iray sy sasany: Akanjo saga ketrombozona sy lamba ambakiloha no nanaovany. (Kilalaon'afo: R. R. R. ).
Ahitsio |
Ambakoany | : | a.: Vor6nan-kofehy na fehezan-drindra nokarakaraina hotenomina ho lamba na horarina ho tsihy.
Ahitsio |
Ambalambala | : | a.: Teny tsy mazava loatra, na teny tsy azo mazava ny dikany: Teny ambaiambala no nataon'ny anao lahy dia basa izy. - t.i.f.: ambalambalaina / miambalambala, fiambalambala, mpiambalambala / iambalambalana, fiambalambalana.
Ahitsio |
Ambalambalaina | : | (ambalam6ula) mt. ih. (ambalambalao): Enti-milaza zavatra tsY lazaina mazava fa fonomponosina: Nambalambalainy ilay izy ka tsy azoko mazava.
Ahitsio |