Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivitranana: (vitrana) a.: Fizairana lamba roa ambainy ho iray: Lamba mafy ity; eo amin'ny fivitranany angaha izy no mety ho rovitra. 1 Firindrana: Irina ny fivitranan' ny fihavananareo. Ahitsio
Fivivitana: (vivitra) a.: Enti-milaza ny sisin-javatra izay raisina ka sintonina mba hanaingana azy. Ahitsio
Fivivitra: (vivitra) a.: Toetran' ny zavatra voavivitra, izany hoe voasintona amin'ny sisiny na ny molony. Ahitsio
Fivizana: (vizana) a.: Fomban' ny olona mivizana na misasatra. Ahitsio
Fivizatana: (vizatra) a.: Fitenenana miriadriatra miaraka amin'ny endrika mifandrirodrirotra. Ahitsio
Fivizatra: (vizatra) a.: Fomba na toetran'ny olona mivizatra, izany hoe miteny miriadriatra miaraka amin'ny endrika mifandrirodrirotra. Ahitsio
Fivoadiana: (voady) a.: Fanaovana voady: Tsy fanao, hono, ny fivoadiana amin-kanina. 1 Fianianana, fanomezan-toky, fikasana mafy:Hatramin' ny saika nahafaty azy tamin' ny toaka, dia nanao fivoadiana izy fa tsy hikasika zava-pisotro mahamamo intsony. Ahitsio
Fivoady: (voady) a.: Fomba entina manao voady. Ahitsio
Fivoahana: (voaka) a.: Fialana ao an-trano mankany ivelany: Tsy tsara ny mihiboka foana ao an-trano; mahasalama tokoa ny fivoahana kely isan-kariva. 1 Varavarana ahazoana miala ao an-trano mankany ivelany:Misy fivoahana telo it? trano ity.1 Filazana am-pahibemaso: Tamin'ny Alakamisy teo ny fivoahan'ny krlàna momba ny fampianarana. / Toerana fivalanana na fivalanan-drano: Atsy atsimon-trano ny fivoahana raha ho any ianao, Ahitsio
Fivoaka: (voaka) a.: Fomba na toetran'ny olona mivoaka na miala ao an-trano. Ahitsio
Fivoarana: (voatra) a.: Fiovana ho tsaratsara kokoa; fivelaran'ny toetra ho tsaratsara kokoa. Ahitsio
Fivoatra: (voatra) a.: Toetran' ny olona mivoatra, izany hoe miova ho tsaratsara kokoa. Ahitsio
Fivoha: (voha) a.: Toetran'ny zavatra mivoha na misokatra. Ahitsio
Fivohana: (voha) a,: Fisokàfana: Ataovy mitafitafy ny fivohan'ny varavarana. • Fiantombohana: Hatram in'ny fivohan'ny Kolejy X teto antanàna. Ahitsio
Fivohirana: (vohitra) a.: Fibontànana, fibokirana; fibontsinana, Ahitsio
Fivohitra: (vohitra) a.: Toetran' ny zavatra mivohitra, na mibontsina, mibokitra, mibontana. Ahitsio
Fivoivoizana: (voy) a.: Fandehanana atss' sy ars'; fivezivezena. Ahitsio
Fivoivoy: (voivoy) a.: Toetran' ny olona mivoivoy na mandeha ats? sy ar?, mivezivezy. Ahitsio
Fivoizana: (voy) a.: Fikapohana ny rano mba hampisosa ny lakana, ka kapohina miverina ny rano raha tiana handroso ny lakana ary kapohina mandroso kosa raha tiana hiverina ny lakana. Ahitsio
Fivokisana: (voky) a.: Fanaovana voky, fihinanana araka izay tiana, fialàna fo:Tsy tsara ny fivokisana raha vao avy narary. Ahitsio