Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivorosoka: (vorosoka) a.: Toetran'ny zavatra mivorosoka, izany hoe voahitsakitsaka, voahosihosy, Ahitsio
Fivorovoro: (vorovoro) a.: Toetran'ny olona na zavatra mivorovoro, mikorontana, misafotofoto, misaxitaka, Ahitsio
Fivorovoroana: (vorovoro) a,: Fikorontanana, fisafotofotoana, fisaritahana: Mahasosotra ny mijery it9 fivorovoroan'ny akanjonao, Ahitsio
Fivotretrehana: (votretrika) a.: Fitangoronana mifanety, mifanizina: Ny fivotretrehan' ny lalitra eo ambonin'ny tantely, Ahitsio
Fivotretrika: (votretrika) a.: Toetran'ny olona na biby mivotretrika, izany hoe mitangorona mifanety, mifanizina. Ahitsio
Fivotritrika: (votritrika) a.: Toetran'ny zavatra mivotritrika, izany hoe miavosa, na mitombo mivonto avo. Ahitsio
Fivotrovotro: (votrovotro) a,: Toetran'ny hoditra mivotrovotro, izany hoe misy mibontsimbontsina, Ahitsio
Fivotrovotroana: (votrovotro) a,: Fibontsimbontsinana, Ahitsio
Fivotsorana: (votsotra) a,: Fivahana, fiborahana. Ahitsio
Fivotsotra: (votsotra) a,: Toetran'ny zavatra mivotsotra, na mivaha, miboraka. Ahitsio
Fivovo: (vovo) a.: Fomba entina mivovo na manao ankasomparana, mankahala, Ahitsio
Fivovoana: (vovo) a,: Fanaovana ankasomparana, fankabalana, fanaovana andolompo, Ahitsio
Fivovozana: (vovd) a.:Fikiakiahan'ny alika mitady hanaikitra na hampitahotra: Tsy ahitana tory ny fivovozan'ny alika at$ aminareo izany, Ahitsio
Fivoy: (voy) a.: Tehina fisaka ny lohany entina mikapoka ny rano mba handehanan'ny lakana. * Fiten.: Lakana very fivoy: mandeha ho azy tsy misy toniany. ---e. Ahitsio
Fivoy: (vo y) a.: Fomba entina mivoy na mikapoka ny rano mba hampandeha ny lakana. 1 p, t.: Azo voizina. Ahitsio
Fivozavoza: (vozavoza) a,: Toetran'ny olona mivozavoza, izany hoe mitahontahona sy mikaviavia. Ahitsio
Fivozavozana: (vozavoza) a.: Fitahontahona sy fikaviaviana, fidrahodrahona, fitaraikiraikena. Ahitsio
Fivozezehana: (vozezika) a,: Fiavosana, fifanongoavana: Ny fivozezehan'ny boky eo ambony latabatra. ~ Fahatongavana mirohotra maro be: Tsy hita holazaina ny fivozezehan'ny ankizy teo amin'ny nisy an'ireo olona niady, Ahitsio
Fivozezika: (vozezika) a.: Toetran'ny zavatra na olona mivozezika; miavosa, mifanongoa, na tonga mirohotra be. Ahitsio
Fivozihirana: (vozihitra) a,: Fibontainana,fizihirana be:Ny fivozihiran'ny kibon'Ibalita no tsy ahafahany miaina, Ahitsio