Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fizozozozo: (zozozozo) a.: Toetran'ny rivotra mizozozozo, izany hoe mamoaka feo manokana toy ny raha mitsoka amin'ny elakelaky ny hazo. Ahitsio
Fizozozozoana: (zozozozo) a.: Famoahana feo ohatra ny feon'ny rivotra mitsoka amin'ny elakelaky ny hazo na amin'ny elanelan'ny hiriky ny varavarana. Ahitsio
Fjjijijijy: (jijijijy) a.: Fomban' ny olona izanY hoe mamindra manao dingana fohy toy ny mandihy; na mita-raina noho ny fanaintainana. Ahitsio
Fo: a.: Taova vongana iray ao anaty tratra havia, azo heverina ho fototry ny aine noho izy mampandeha ny ra eran' I ny tena amin'ny fitepony j tsY an-kijanona: Lehibe ohatra ny totohondrin'ny tsirairay hono ny fon'olombelona. (Misy tsipika lampons iray mizara ny fo ho ilany havia sy havanana, izay misaraka tsy misy ifandraisany, fa ny ilany iray avy kosa in-, dray aamy mizara roa ahitana sofimpo ambony ary vatampo ambany, ka ireo efitra ambony sy ambany ireo no mifandray amin'ny alalan' ny valviola izay tsy mamela ny ra hiverin-dalana). ~ H.o,: Foiben'ny fshetseham-panahy tsaroan'ny olombelona rehefa faly na malahelo na matahotra na mangoraka, na tia na mankahala...: Olona mora entin'ny fo ny Malagasy. - t.i.f.: Foizana, ampoizina / manampo, fanampo / anampoizana, fanampoizana. - F.-p.: Be fo: enti-katezerana amin'ny rariny. /Entimpo: misafoaka. /Iray fo amy: miombom - pihetseham - po (hafaliana na alahelo) amy... / Iray tam-po: enti-milaza ny zaza iray reny na koa taranaka iray fiaviana. 1 Mamy fo velona: fitiavan-tena mihoapampana. / Mono me fo: mambosy, mamporisika, mitarika, mamoky. / Fo adalo: olona matim-pitia, raiki-pitia, lefaka. / Fo afaka tsy ananan-tsiny: rehefa manao izay vita tsy tokony hahazo tsiny intsony. / Fo emboka: fo miovaova ka ny alahelo avy no vetivety foana dia misava. / Fo lavanan'andro: lolompo lalim-paka ary maharitra. / Fo lentika: lolompo maharitra. / Fom-biby: olona lozabe tsy mifaditrovana. / Fo mivonto: fo feno hatezerana, lolompo. / Fon' Itrimo: olona masiaka lozabe. / Fon-kary: hasarotampo, halozana izaitsizy. /Fon' ny mpanefy: olona mora tezitra. / Fon'ny mpifoka rongony: (mit. amin'ny fon-kary) / Fon'olona: fo mangoraka, mitsetra ny ory. / Fo vato: fo tsy mangoraka, fo tsy mitsetra. / Fo vomanga masaka: Fo mora tohina izaitsizy, mora mihontsona aoka izany. / Mafy fo: der. fo vato). / Tsongoy fon-tena tsongoy fon'olona: arakaraka ny tenanao no tokony hitsaranao ny sasany. / Fo milafikarena: tsy mitsitsy tena na kely aza amin'ny fihariana, amin'ny fitadiavan-karen; matoky ny haren ananana ka sahy manao na inona inona. Ahitsio
Fo-: Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza habetsahana: Forehitra (rehitra), foretsika (retsika). Ahitsio
Foa: t.p.: Enga anie! (fitsofandrano entina mirary: asiana rano tokoa ao anaty vava izay alefa tsikelikely isaky ny manonona hoe "foa, foa"). Ahitsio
Foaba: a.: Fisafoahana, hatezerana miharo teny miriadriatra, trerona. i t. L f : Mifoaba, fifoaba / fifoabana. Ahitsio
Foaka: a.: (jar. Safoaka). Ahitsio
Foana: p.t.: 1 Tsy misy na inona na inona ao anatiny, babangoana: Tanàna foana. 2 Tsy misy vidiny; tsy misy lanjany; maivana; tsinontsinona: Hevi-poana izany. 3 Heverina ho toy ny tsy misy antony, tsy azo ekena, tsy manana ny maha-ara-dalàna azy: Foana ny fangatahanao, / Foana ny fanambadiany sa-tria noterena razazavavy. 4 * ary daholo, levona: Foana ny haren-dRakoto. ¶ M.h.: Lany, Jifa, majifa, fongana, tapitra. ~ Tsy tanteraka:Foana ny fikosako noho io loza tsy nampoizina io, 1 p,mt.: Tsy misy vokany: Manasatena foana ianao manao an' io fa tsy raharahain'ny ankizy akory. 2 p,mt.: Tsy an-kijanona: Miasa foana izy na marary aza.. * F.-p.: Maimaim-poana: tsy vidina, tsy andoavam-bola: Omeko anao maimaim-poana iny boky iny. / Manaonao foano: manao kitoatoa, tsy misy fiheverana. / Miteniteny foana: milaza zavatra tsisy heviny. / Zava-poana: zavatra tsinontsinona. Ahitsio
Foanana: (foana) mt.ih. (foany): Tsy atao indray: Nofoanana ny fety saika hatao fa nisy sampona, 1 Lazaina ho tsy manan-kery intsony: Lalàna efa nofoanan'ny Fanjakana io. Ahitsio
Foara: (fr. foire) a.: Tsana lehibe ivarotana sy ampisehoana ny vokatry ny. fambolena, fiompiana sy taozavatra fanao isan-taona amin'ny tanàna iray: tsenabe. Ahitsio
Foaraka: a.: Omby novonoina ho sorona mba tsy hisian'ny loza intsony aorian'ny fandevenana ny matY. Ahitsio
Fodiana: (ody) a.: Fiverenana any an-tanna na any an-trano onenana: Amin'ny efatra no fodian'ny mpianatra madinika. 1 Fisehoana ho manao zavatra, asa, na ho mana-na toetra toy izao na toy izao eo imason'ny olona nefa tsy marina: Fodiana marary no nahafahany tamin'ny sazy. Ahitsio
Fodiavoho: (Btm) a.: Fomban' akanjom-behivavy ohatra ny boritanana fa afody, izany hoe avadika aty aloha ny bokotra. Ahitsio
Fodifetsy: a.: Karazam-boronkely mpanao ny akaniny eny amoron-drano toy ny zohy kely manara-morona miakatra (floceus). - Ahitsio
Fodimainty: a.: Voronkely (nelicurvis tisserius). Ahitsio
Fodimavo: a.: Karazana fody kely fahita any an-tSakalava (floceus sakalava). Ahitsio
Fody: a.: Fomba entina mody (any an-trano), na fomba entina mody (manao zavatra). Ahitsio
Fody: na Fitily a.: Voronkely latsadatsaka kokoa noho ny totohondry ny habeny; raha mbola tsy eo amin'ny fotoana fanatodizany, dia mivololombatolalaka ny volony, na ny lahy na ny vavy, fa eo amin'ny fiandohan'ny vola-na Novambra, dia miova ho mena dorehitra ny volon'ny fodilahy, ka maharitra hatramin'ny faramparan'ny Mar-sa izany. Mandritra ny ririnina, dia matetika mamonjy any an'ala ny fody no mipetraka. Anisan'ny vorona mpanimba ny voly, fa indrindra ny vary, ny fody ka tokony hiadiana mafy. Ahitsio
Fody: a.: Fiverenana indray amin'ny teny natao, fiverenana indray amin'ny tompony teo aloha. - t.i.f.: Afody / mifody / ifodiana / mitampody. Ahitsio