Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fofo: ft. : Enti-milaza fikasana, fikendrena. 1 Fofoina, voafofo / mamofo, famofo, mpamofo I amofoana, famofoana 1 mifofo, fifofo, mpifofo / ifofoana, fifofoana 1 mifamofo, fifamofo, mpifamofo 1 ifamofoana, fifamofoana. Ahitsio
Fofoana: a.: Faritra amin'ny tena hatreo amin'ny kibo ka hatreo amin'ny lohalika rehefa mipetraka mitorovoka ny tena. - t.i.f.: Ampofoina 1 miampofo, fiampofo, mpiampofo. Ahitsio
Fofofofo: a.: Rivotra mitsoka mafy. 1 h.o.: Fanatonana an-kazakazaka mba hamely na hamono. 1 Hi.: Asa, fiezahana mafy. - t.i.f.: Mifofofofo, fifofofofo, mpifofofofo / ifofofofoana,fifofofofoana. Ahitsio
Fofohana: (fofoka) mt. ih, (fofohy): Asiana, velezina: Nofofohany daka ilay namany, / Voa, tratra, azo: Fofohan' ny tazo ao i zokinao. Ahitsio
Fofoina: (fofo) mt.ih. (fofoy): Kasaina ho vady: Nofofoindry Rakoto ho vadin'ny zanany io zazavavy io, 1 Kasaina, kendrena hovonoina: Nofofoiny hovonoina mihitsy aho. Ahitsio
Fofoka: a.: Dona, fahavoazana, fahatrarana. 1 Sery be. 1 Fofohana, afofoka, voafofoka, tafafofoka f mamofoka, famofoka, mpamofoka 1 amofohana, famofohana / mifofoka, fifofoka, mpifofoka / ifofohana, fifofohana 1 mahafofoka. Ahitsio
Fofona: a.: Vokatry ny fandrenesan'ny orona avy amin'ny poti-javatra faran'izay kitika kely tsy hita-maso izay miala avy amin'ny zavatra iray ka entin'ny rivotra ary tonga mikasika ny hozatra manify manemitra ny aty orona: Misy fofon-javatra Io izany. 1 H.i,: Etona: Misy fofon-tany midofaka eto izany. 1 Hamanitra na hamaimbo: Mandraraka ny fofon'ireo vonindraozy ireo, 1 H,o.: Laza soa na laza ratsy: Mandre fofondratsy momba anao aho. / Vao nandre ny fofony ny fahavalo dia riatra nandositra. - t.i.f.: Fofona, voafofona / mamofona, famofona, mpamofona 1 amofonana, famofonana / fofompofona. - F,-p,: Fofon'aina: rivotra mivoaka amin'ny oron'ny olona na biby, avy manadio ny ra ao amin'ny havokavony ka matetika fanamarinana fa mbola velona misy aina ilay lzy. /Fofon-drano:etondrano, etona avy amin'ny rano nampangotrahina, f Afapofona: afa-baraka. Ahitsio
Fofonana: na Fofonina (fofona) mt. ih. (fofony): Asiana fofon'aina na donafana setroka: Nofofonany setroka aho. Ahitsio
Foforina: (fofotra) mt. ih. (fofory): Hetsehina mba hamoaka rivotra hitsoka afo: Tsy mbola azo foforina ny tafoforana. / Hafanaina: Efa nofoforinao tsara ve ny vy? 1 Ampiasaina tsara: Tsy nofoforinao loatra ireto mpianatra ireto ka eo ho eo ihany ny fahaizany, 1 Asiana, velesina: Nofoforiny tamin'ny tehina ny zanany. Ahitsio
Fofosarita: a.: Ozona sy fihantsian-doza raha nanao velirano fahiny ka ny niaviany sy ny heviny dia angamba avy amin'ny hoe: "Raha mivadika izao velirano izao, aoka haelin'ny rivotra mifofofofo ary rita toy ny ranotrambo fohin'ny hainandro". Ahitsio
Fofotra: a.: Tsoka afo amin' ny tafoforana; fiezahana mafy. - t.i.f.: Foforina, afofotra f mifofotra, fifofotra, mpifofotra / ifoforana, fifoforana f mahafofotra,tafoforana. Ahitsio
Fofotroke: (Ski) a.: Fivarotana zana-biby mbola any an-kibon-dreniny. Ahitsio
Fofy: a.: Taolana lavalava kely maranitra fisoritan'ny vehivavy ny volony rehefa manao volo. Ahitsio
Foha: a.: Fahatsiarovan-tena, fihiratana aorian'ny torimaso; fitsanganana avy eo ampatoriana. - t.i.f.: Fohazina, tafafoha f mamoha, famoha, mpamoha / amohazana, famohazana / mifoha, fifoha, mpifoha / ifohazana, fifohazana / mahafoha. Ahitsio
Fohatra: p:t.: Maty malazo, maina (filaza amin'ny zavamaniry). - F.-p,: Harongam-pohatra: levona, ringana tanteraka hatrany amin'ny fakany. Ahitsio
Fohazina: (foha) mt. ih. (fohazy): Tairina amin'ny torhnaso: Aza mbola fohazina izy fa vizana. 1 Tsahivina: Tsy tokony hofohazina intsony io raharaha io, Ahitsio
Foheharina: (fohehatra) mt.ih. (foheharo): Ampahitana loza,angano. Ahitsio
Fohehatra: p.t.: Idiran-doza, iharam-pahavoazana. - t.i.f.: Mamohehatra / folieharina / mpamohehatra f mifohehatra, fifohehatra, mpifohehatra. Ahitsio
Fohina: (foka) mt. ih. (fohy): Trohina, sintonina: Fohin' ny hainandro ny ranonando. 1 Ritina: Fohin'ny tany ny ranonorana. 1 Trohina arY atelina: Fohin'ny orona ny rivotra. / Fohin'ny olona ny sigara. Ahitsio
Fohy: p, t.: Tsy lava, kely: Fohy loatra ny akanjonao, 1 Tsy maharitra, mora tapitra: Fotoana fohy taorian'izay... i t.i.f.: Hafohezina,voafohy / manafohy, fanafohy, mpanafohy f anafohezana, fanafohezana f mahafohy / hafohy, fahafohy, hafohezana, fahafohezana. Ahitsio