Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fongofongo: a.: Hatezerana sy fisafoahana. • Fiezahana fatratra, fiaretana ny mafy. 4 t.i.f.: Afongofongo, tafafongofongo ) mifongofongo, fifongofongo, mpifongofongo / ifongofongoana, fifongofongoana ( mahafongofongo. Ahitsio
Fongorana: (fongotra) mt. ih. (fongory): Foanana hatramin'ny fakany, ravana tanteraka, taperina, ringanina: Tokony hofongorana ny toaka sy ny rongony fa manimba taranaka. Ahitsio
fongory:mt. avy amin'ny foto-teny "ongotra" midika hoe esory, foano Ahitsio
Fongotra: p.t. sady mt. ih. ft.: Foana, raya: Fongotra hatrtimin'ny fotony ny mandan'i Jerosalema. • Tapitra, tsy misy,maty, mmaso, lany tamingana, fongana, lany:Fongotra ny vary ao an-tsompitra. / Fongotra ny taranany. • Tsy asiana miangana, aringana: Fongotry ny giripy espaniola ny mponina teto. 1 t. f.: Fongorana, afongotxa, voafongotra ( mamongotxa, famongotra, mpamongotxa / amongorana, famongorana i mahafongotra. Ahitsio
Fongy: (Tsm) a.:Voatavo fihinana. Ahitsio
Fonina: (onina) a.: Fomba en-tins monina. Ahitsio
Fonitra: p.t.: Fohy fa matanjaka, matombina (ny sampanteny avy aminy: Fonetana no fampiasa kokoa). - F.-p.: Manao sikim-ponitra: mamatotra mafy ny sikina manodidina ny valahana ho mariky ny fahavononana hiasa mafy. Ahitsio
Fonja: a.: Havesaran-javatra jerena toa kely nefa madonda. 1 Tsora-by na akoram-by mbola tsy voavoatra: Fonjam-by, - t.i.f.: Mafonja. Ahitsio
Fonja: a.: Toerana voafefy nitanana ireo voaheloka taloha, tranomaizina: Voatana any am-ponja izy noho ny heloka nataony. Ahitsio
Fonja: a.: Miaramila atao fiandry: Atao fonja: arotsaka ho anisan'ny miaramila atao fiandry. Ahitsio
Fonjafonja: a.: Fandraindraisana zavatra sy fanapolipolesana azy. - t.i.f.: Fonjafonjaina, voafonjafonja / mamonjafonja, famonjafonja, mpamonjafonja ( amonjafonjana, famonjafonjana ( mahafonjafonja. Ahitsio
Fonjafonjaina: (fonjafonja) mt. ih. (fonjafonjao): Raidraisina na polipolesina, fenjafenjaina. Ahitsio
Fonjozoro: a.: Ny atin'ny zozoro: Ny fonjozoro dia fampiasa atao lafika na famaohana. Ahitsio
Fono: a.: Ny eo ivelan'ny zavatra manafina na mandrakoira ny tenany: Ataovy tsara fono io zazakely io sao mangatsiaka, - t.i.f.: Fonosina, afono, voafono / mamono, famono, mpamono ) amonosana, famonosana I mifono, fifono, mpifono ( ifonosana, fifonosana / mahafono, fonosana. - F.-p.: Fonom-boany: ny jabora mandrakotra ny voankena. / Fonon-janany: fonon' ny zaza ao an-kibo, ahitra. j fonon-tondro: fono hoditra ataon'ny mpanao kiraro amin'ny fanondrony mba tsy haharatran'ny kofehy ny tanany. Ahitsio
Fonoka: a.: Ody fampatoriana, Ahitsio
Fonoka: a.: Fifonosana tsars ao anaty lamba mba tsy handrenesana hatsiaka, ¶ M.h.: Bonoka. - t.i.f.: Voafonoka, tafafonoka I mifonoka, fifonoka, mpifonoka / ifonohana, fifonohana ) mahafonoka. - F.-p,: Vary fonoka: very tsy hita intsony, very momoka, j Maty fonoka: tsy mitranga intsony. Ahitsio
Fonombimainty: a.: Kilalao karatra miloko mainty misY sarina lefona lava zarana, a-tao hoe koa Tangontsotrobe. Ahitsio
Fonombimena: a.: Kilalao karatra miloko mena misy sarina fo, atao hoe koa Samamena. Ahitsio
Fononteny: a.: Mari-tsoratra ( ) mamono fehezan-kevitra tsy dia ilaina loatra ary toa avahana mitokana: Ny aia volon-jaza (izay atao koa hoe sonia), dia fanetezana uoalohany ny uolon'ny zaza raha uao mandray telo vola-na izy. Ahitsio
Fonosana: a.: Fono, zavatra entina mamono, manodidina, manarona: Manify loatra ny fonosan'ity entana ity, 1 Zavatra ao anatin'io fonony io: Nitondrany fonosan-tsira antsasa-kilao aho, s Mafy fonosana: kahihitra. ( Maty am-ponosana: voafono tsars aoka izany: Nataony maty am-ponosana ilay ariary folo nomeko azy. / Kely am-ponosana:enti-milaza zavatra kely raha jerena araka ny fonony, nefa be vidy. Ahitsio