Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fotsiavadika: a,: Zavamaniry izay maitso ny aty raviny ary fotsy ny ivelany. Ahitsio
Fotsifotsina: (fotsy) mt. ih. (fotsifotsio): Hamavoina, zimbazimbaina, atao tsinontsinona. Ahitsio
Fotsifotsy: p.t.: Tsy dia fotsy loatra. Ahitsio
Fotsina: na Fotsiana (fotsy) mt. ih. (fotsio): Diovina (enti-milaza indrindra ny zavatra metaly, ka kosehina ny fanadiovana azy): Fotsin'ny miaramfla ny benitra. / Fotsio ny nifinao. ? Totoina fahatelo (enti-milaza ny vary izay efa maivoka ary tsaitsainy ka diovina farany): Fotsio amin' izay ny vary fa hariva ny andro. Ahitsio
Fotsiny: p.mt.: Tsy misy fanampiny tsy misy fangarony: Vary fotsiny no haniny isan'andro (tsara homarihina fa na mitovitovy hevitra amin'ny Ihany sy ny Monja aza ny Fotsiny dia misy maha-samy hafa azy amfn'ireo ihany: ny fotsiny dia manantitrantitra momba ny tsy fisiana fanampiny, fangarony: Vary fotsiny no haniny; ny ihany, momba ny maha-irery ilay voalaza: Rakoto ihany no mpampianatra azoazoko; ary ny monja kosa, fampiasa indrindra miaraka amin'ny teny milaza Mpianatra telo monja no tonga). Ahitsio
Fotsitaho: a.: Teny ilazana ny tany volena rehetra ivelan'ny tanimbary. Ahitsio
Fotsivadihana: a.: Karazan-kazo madinika (Helichrysum cordifolium). Ahitsio
Fotsy: p,t. sy a.: Teny milaza loko mifanohitra amin'ny mainty, toy ny volon'ny tanixavo izany na ny ronono. (Lazain'ny manam-pahaizana fa ny fotsy dia fitambaran' ny loko rehetra; hita porofo izany raha ohatra ka tsinjaraina amin'ny baoritra boxibory ny loko fiton'ny avana: volomparasy, angana, manga, maitso, vony, haboka, mena, ka ahodinkodina mafy io baoritra io: loko fotsy no vokatra azo). - t.i.f.: Fotsina, na fotsiana, afotsy / mamotsy, famotsY, mpamotsy / amotsfana, famotsiana / mahafotsY 1 fotsffotsy / fotsifotsina / mamotsifotay, famotsifotsy / hafotsy, Ahitsio
Foty: na Fotibaolina (fr. football) a: Lalao fanatanjahantena misy mpilalao 11 an-daniny sy an-kilany, izay mikatroka amim-pahaizana sy hakingana ary fahatanjahana hampiditra ny baolina amin' ny dakan-tongotra fotsiny ao anatin'ny tsatokazon'ny ankilany avy. Ahitsio
Foy: a.: Famotsehana ny hao na ny parasy amin'ny hoho. i tif: Foizina / mifoy, fifoy, mpifoy f ifoizana, fifoizana 1 mahafoy, Ahitsio
Foy: mt. ih.: Omena an-tsitrapo: Foiko ho anao iny fa mahasoava. - t.i.f.: Afoy / mamoy, famoy, mpamoy 1 amoizana, famoizana / mahafoy. Ahitsio
Foy: a.: Enti-milaza ny voronkely mivoaka avy ao amin' ny akoran'atody nisy azy, afaka tao anaty akorany: Foy androany ny atodin'ikalamovo, 1 H.o.: Vaky, potsika (vay): Efa ho foy io vay io ka izany no nahatonga azy harary mafy. 1 H.o.: Mivoaka ny vava, mivoaka: Ny teny atody, hoy ny ohabolana, ka raha foy manana etatra. i Foizina, voafoy / mamoy, famoy, mpamoy / amoizana, famoizana / mifoy, fifoy, mpifoy / ifoizana, fifoizana 1 mahafoy. - F.-p.: Foy hehy: enti-milaza zazakely sambany mihomehy, na ny tolotra omen' izay nihomehezany voalohany, f Tsy foy: tiana tanteraka ka tsy atakalo na inona na inona. / Havan-tsy foy: hava-na sy sakaiza tiana fatratra./ Manome tsifoifoy: manome zavatra olona, nefa tsy mahafoy azy tanteraka ka mampamerina azy indray (hoy ny fitenin'ny ankizy hoe: manome tsifoifoy miteraka bibilava). * Ohab,: Ny mbola any ankorany indray no mananatra ny efa foy: tsy tokony ny zazavao indray no hanoro ny efa za-draharaha (mitovy amin'ny hoe ny mpitovo mananatra ny manana). Ahitsio
Foza: Fozafoza a.: Famoriporetana, familavilana. 1 Fozafozaina / mamozafoza, famozafoza, mpamozafoza / amozafozana, famozafozana / mahafozafoza. Ahitsio
Foza: (Ski) a.: Karan'adabo fihinam-boa. Ahitsio
Foza: a.: Biby folo tongotra naman'ny orana (jar. itg), izay manetoka sy manery mafy amin'ny tanabeny misy nifinifiny ny nofon'izay azony. - F.-p.: Foza malemy: entimilaza zazavavy kely mavozovozo, osa, saozanina. / Fozan-driaka: fozan-dranomasina. / Fozan'ony: fozandranomamy. / Fozalahy atakalo fozavavy: fombam-pitenenana fandre amin'ny kabary am-panambadiana ilazana fa toy ny nifanakalo zanaka ny ray aman-dreny roa tonta ka ilay zazalahy tonga isan' ny fianakavian-drazazavavy, ary ilay zazavavy tonga isan' ny fianakavian-drazazalahy. J Mihalo-poza (mihalotra foza): ny fomba fakana ny foza dia halorina na haronina any anaty lavany. / Maro fo-ana toa tanam-poza: enti-milaza olona maro izay tsy mahavita inona akory raha misy raharaha atao fa toa manelingelina indray aza izy ireo amin'ny hamaroany. * Ohab.: Kekerim-poza maimay, afatotr'olona manin-te hody: ilazana ny fahavoazan' izay tsy mba afaka hanao izay tiany. Ahitsio
Fozafozaina: (fozafoza) mt. ih. (foxafozao): Foriporetina,vilavilaina. Ahitsio
Fozahavatra: a.: Aretin-koditra mora miititra. Ahitsio
Fozalanana: (Btm) a,: Foza amoron-dranomasina. Ahitsio
Frantsay: (fr. français) a,: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Frantsa: Mahatratra 50 tapitrisa mahery ny isan'ny Frantsay. 1 p.t.: Mikasika an'i Frantsa, an'i Frantsa na avy any Fxantsa: Anisan'ny teny mazava ary azo ilazana angolan-kevitra ny teny frantsay. Ahitsio
Frera: (fr. frère) a.: (Fiv. kat.) Anarana ilazana ny relijiozy lahy tsy pretra. Ahitsio