Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanakisahana: (kisaka) a : Famindrana toerana; fanosehana ho eo an-tsisintsisiny, fampihatahana. Ahitsio
Fanakisaka: (kisaka) a. : Fomba entina manakisaka, mamindra toerana, na manosika ho eo an-tsisintsisiny, mampihataka. Ahitsio
Fanakisolosolo: (kisolosolo) a.: Fomba entina manakisolosolo, manasolampilampy, manao izay hahavo ila ny tany iray. Ahitsio
Fanakisolosoloana: (kisolosolo) a : Fanasolampilampiana, fanaovana izay hahavo ila ny tany iray. Ahitsio
Fanakitakita: Fanitakita (kitakita) a. : Fomba entina manakitakita, manitakita, mandevilevy. Ahitsio
Fanakitakitana: Fanitakitana (kitakita) a. : Famelivelezana,fandevilevena. Ahitsio
Fanakitambiana: (kitamby) a. : Fanasiana kitamby manodidina (ny tena na olona). Ahitsio
Fanakitamby: (kitamby) a. : Fomba entina manakitamby na manao kitamby, Ahitsio
Fanakitoza: (kitoza) a. : Fomba entina manakitoza, mampihantona. Ahitsio
Fanakitozana: (kitoza) a. : Fampihantonana. Ahitsio
Fanakitra: (kitro) a : Fomba entina manakitra, manakotaba, manakotrana. Ahitsio
Fanakitrana: (kitra) a. : Fanakotabana, fanakotranana. Ahitsio
Fanakitrana: (kitrana) a.: Fomba entfna manakitrana, mainpiady olona. Ahitsio
Fanakitranana: (kitrana) a : Fampifampikasohana, fampanenoana, fampiadiana, farnpirisihana hiady. Ahitsio
Fanakitrohana: (kitroka) a : Fanaovana izay hampifanizina; fampidilorana ny nify miady. Ahitsio
Fanakitroka: (kitroka) a.: Fomba entina manakitroka, mampifanizina, na mampidilotra ny nify miady. Ahitsio
Fanakiviana: (kivy) a : Fanaovana izay hahakivy, fanaketrahana. Ahitsio
Fanakiviliviliana: (kiviliuily) a: Fanetsiketsehan-javatra (mihantona) hankatsy hankaroa, fanasaviliviliana, fampisaviliviliana,fanakipilipilizana. Ahitsio
Fanakivilivily: (kiuiliuily) a : Fomba entina manakivilivily, manetsiketsika (zavatra mihantona) hankatsy hankaroa, manasavilivily. Ahitsio
Fanakivy: (kioy) o. : Fomba entina manakivy, manaketraka. Ahitsio