Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanakofana: (takotra) a Fanaronana amin' ny takotra. Ahitsio
Fanakofohana: (kofoka) a: Fanetsiketsehana, fanofokofohana, fikapohana. Ahitsio
Fanakofoka: (kofoka) a.: Fomba entina manakofoka, manetsiketsika, manofokofoka. Ahitsio
Fanakohafana: (kohaka) a, : Famoahana amin'ny kohaka, fandrehofana. Ahitsio
Fanakohaka: (kohaka) a.Fomba entina manakohaka, mamoaka amin'ny kohaka, mandrehoka. Ahitsio
Fanakojena: (kojy) a. : Fitarihana (hanao ratsy), fanolikolena, fanangolena, fanangiana. Ahitsio
Fanakojy: (kojy) a : Fomba entina manakojy, mitarika (hanao ratsy), manolikoly, manangy. Ahitsio
Fanakolahana: (takolaka) a. Fitiliana olona amim-pitampifiana ambadiky ny zavatra iray mba tsy ho hita; fisafelehana, fihodivirana. Ahitsio
Fanakolaka: (takoiaka) a. Fomba entina manakolaka, mitily olona amim-pitampifiana ambadiky ny zavatra iray, ~ p. t. : Azo takolahina. Ahitsio
Fanakombona: (kombona) a Fomba entina manakombona, mampifanatona zavatra roa mihataka ka manao izay hifanaronany. Ahitsio
Fanakombonana: (kombona) a : Fampifanatonana zavatra roa mihataka ka manao izay hifanaronany. Ahitsio
Fanakona: (takona) a. : Fomba entina manakona, manarona na mandrakotra mba tsy ho hita. Ahitsio
Fanakonana: (takona) a. : Fanaronana, fandrakofana; fanakanana tsy habita, tsy ho hita. Ahitsio
Fanakopohana: (kopoka) a. Fanofokofohana. Ahitsio
Fanakopoka: (kopoka)a:Fomba entina manakopoka, manofokofoka. 1 p.t. : Azo akopoka. Ahitsio
Fanakora: (akora) a. : Fomba entina manakora, maneso, mihoha. • p. t.: Tokony hakoraina, azo akoraina. Ahitsio
Fanakorana: (akora) a. : Fihohana, fanesoana. Ahitsio
Fanakorapahana: (korapaka) a. : Fampanaovana haingana, fandrotorotoana. Ahitsio
Fanakorapaka: (korapaka) a. : Fomba entina manakorapaka, mampanao haingana, mandrotoroto. Ahitsio
Fanakoretehana: (koretika) a. : Fanakorontanana, fanasafotofotoana; fanaovana rangotsaka ; fampiboredehana. Ahitsio