Fanakofana | : | (takotra) a Fanaronana amin' ny takotra.
Ahitsio |
Fanakofohana | : | (kofoka) a: Fanetsiketsehana, fanofokofohana, fikapohana.
Ahitsio |
Fanakofoka | : | (kofoka) a.: Fomba entina manakofoka, manetsiketsika, manofokofoka.
Ahitsio |
Fanakohafana | : | (kohaka) a, : Famoahana amin'ny kohaka, fandrehofana.
Ahitsio |
Fanakohaka | : | (kohaka) a.Fomba entina manakohaka, mamoaka amin'ny kohaka, mandrehoka.
Ahitsio |
Fanakojena | : | (kojy) a. : Fitarihana (hanao ratsy), fanolikolena, fanangolena, fanangiana.
Ahitsio |
Fanakojy | : | (kojy) a : Fomba entina manakojy, mitarika (hanao ratsy), manolikoly, manangy.
Ahitsio |
Fanakolahana | : | (takolaka) a. Fitiliana olona amim-pitampifiana ambadiky ny zavatra iray mba tsy ho hita; fisafelehana, fihodivirana.
Ahitsio |
Fanakolaka | : | (takoiaka) a. Fomba entina manakolaka, mitily olona amim-pitampifiana ambadiky ny zavatra iray, ~ p. t. : Azo takolahina.
Ahitsio |
Fanakombona | : | (kombona) a Fomba entina manakombona, mampifanatona zavatra roa mihataka ka manao izay hifanaronany.
Ahitsio |
Fanakombonana | : | (kombona) a : Fampifanatonana zavatra roa mihataka ka manao izay hifanaronany.
Ahitsio |
Fanakona | : | (takona) a. : Fomba entina manakona, manarona na mandrakotra mba tsy ho hita.
Ahitsio |
Fanakonana | : | (takona) a. : Fanaronana, fandrakofana; fanakanana tsy habita, tsy ho hita.
Ahitsio |
Fanakopohana | : | (kopoka) a. Fanofokofohana.
Ahitsio |
Fanakopoka | : | (kopoka)a:Fomba entina manakopoka, manofokofoka. 1 p.t. : Azo akopoka.
Ahitsio |
Fanakora | : | (akora) a. : Fomba entina manakora, maneso, mihoha. • p. t.: Tokony hakoraina, azo akoraina.
Ahitsio |
Fanakorana | : | (akora) a. : Fihohana, fanesoana.
Ahitsio |
Fanakorapahana | : | (korapaka) a. : Fampanaovana haingana, fandrotorotoana.
Ahitsio |
Fanakorapaka | : | (korapaka) a. : Fomba entina manakorapaka, mampanao haingana, mandrotoroto.
Ahitsio |
Fanakoretehana | : | (koretika) a. : Fanakorontanana, fanasafotofotoana; fanaovana rangotsaka ; fampiboredehana.
Ahitsio |