Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanakoretika: (koretika) a Fomba entina manakoretika, manakorontana, manasafotofoto. Ahitsio
Fanakoriana: (koriana)a.: Fomba entina manakoriana, mampandeha misosa miadana. Ahitsio
Fanakorianana: (koriana) a Fampandehanana misosa miadana, fanasosana tsy misy manakantsakana, fanakorisana, fanakisahana. Ahitsio
Fanakorintsana: (korintsana) a : Fomba entina manakorintsana, mampaneno zavatra amin' ny fanetsiketsehana voan-javatra ao anatiny. Ahitsio
Fanakorintsanana: (korintsana) a : Fampanenoana, fanetsiketsehana zavatra mba hampanenoana azy. Ahitsio
Fanakorirarira: (korira) a. Fomba entina manakorirarira, mampihomehy, mandrebireby. Ahitsio
Fanakorirarirana: (korira) a. Fampihomehezana; fandrebirebena; fanemoran-dava, fangatahana andro lava. Ahitsio
Fanakorisa: (korisa) a. : Fomba entina manakorisa, mampisosa zavatra midina. Ahitsio
Fanakorisana: (korisa) a.: Fampisosana, fanakisahana zavatra midina ka mikororosy ilay izy fa tsy mivadibadika. Ahitsio
Fanakoro: (koro) a : Fomba entina manakoro, mambory sofina. Ahitsio
Fanakoro: Fanorokoro (koro) a. : Fomba entina manakoro na manorokoro, mariakorontana, mampisafotofoto; fomba entina maniera, mandrodana. Ahitsio
Fanakoroana: (koro) a. : Fanaboriana (sofina). Ahitsio
Fanakoroana: Fanorokoroana (koro) a. : Fanasavoritahana; fanjerana,fandrodanana. Ahitsio
Fanakorobobo: (korobobo) a. : Fomba entina manakorobobo, manao haingana, manao maika. Ahitsio
Fanakoroboboana: (korobobo) a. : Fanaovana haingana, f anaovana maika. Ahitsio
Fanakorododo: (korododo) a: Fomba entina manakorododo, manenjika (bibY) mba handehanany haingana. Ahitsio
Fanakorododoana: (korododo) a. : Fanenjehana (bibY) mba handehanany haingana. Ahitsio
Fanakorodona: (korodona) a. : Fomba entina manakorodona, mandroaka (bibY) avy aoriana mba handehanany haingana. Ahitsio
Fanakorodonana: (korodona) a.: Fandroahana. Ahitsio
Fanakorofohana: (korofoka) a.: Fanetsiketsehana ny tena sy ny tanana. Ahitsio