Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandanja: (lanja) mt.P. (mandanjà): Mijery ny havesatry ny zavatra iray amin'ny alalan'ny mizana: Mandanja hena 1 Mandinika, mihevitra izay mety ho vokany: Tokony handanja ny teny lazainao ianao. •Manombantombana, maminavina izay ho vidiny: Mahay mandanja izay ho uidin'ny omby Rakoto. ? Mampitovy lanja: Tsy mahay mandanja ny vola midi-' tra sy mivoaka ianao. Ahitsio
Mandanona: (lanona) mt.p. (mandandna): Mangorona sy mampirina. Ahitsio
Mandanto: (lanto) mt.p. (mandantoa): Mandamina, mandahatra Ahitsio
Mandany: (lany) mt. p. (manda-nia): Mihinana: Mandany vary intelon'ny kapoaka isan' andro izy. ? Mandritra: Mandany vola betsaka ny fanaouan-trano ankehitriny. ? Manapitra: Handany ny uolana Aurily any Toamasina izahay. ~ Manary: Nandany ny androko ny fiandrasako anao. ? F.-p.: Mandany andro:manary ny fotoana. / Mandany ron-doha: mampiasa saina am an' eritreritra mafy. ¶ M.h.: Tsy mitsitsy, mirobaroba, miredareda, mirodaroda, mitobatoba, manely vory, mamafy katrana, tsy mitsapa ny lany, tsy mitsapa ny farany, "tondraka anio manan-jara", mitahiry an-karon-doa-body, manao tovolahy mahita fotsimbary, tsy mitsinjo vodiandro ho mari-ka, ny azo anio lany anio. Ahitsio
Mandao: (lao) mt.p. (mandaoza): Mamaia hijanona fa la-sa mandeha: Nitomany izy nandao ny havany. Ahitsio
Mandarà: (leha) p.t.: Enti-milaza zavatra mandeha ra: Mandarà ny tongotro tafintohina anikeheo. - F.-p.: Olona tsy mandarà: olona tsy mangoraka ny hafa, mafy fo. ¶ M.h.: Tsy mitse-po, tsy mangora-po, fo vato, tsy mihontsina. Ahitsio
Mandaro: (taro) mt.p. (mandaroa): Manisy laro. Ahitsio
Mandaroka: (daroka) mt p. (mandaroha): Mikapoka mafy, mamely, manonta. Ahitsio
Mandasitra: (lasitra) mt.p.: Manery amin'ny rantsantanana aforitra sy aolana. Ahitsio
Mandatehezana: a: Fitambaran' ny antoko politika maro manambatra ny heriny eo anoloana toe-java-tsarotra diavin'ny firenena. Ahitsio
Mandatsa: (latsa) mt.p. (mandatsà): Maneso olona na manao teny maharary noho ny fahavoazany. Ahitsio
Mandatsaka: (latsaka) mt.p. (mandatsaha): Mametaka ary mandahatra sy mandrafitra: Mahay mandatsaka biriky tsara Rakoto. ~ Mampirotsaka: Efa mahay mandatsaka orana ankehitriny ny olo-mahay. ~ Mampiditra... ho tonga, hiana-draharaha: Mandatsaka ny zanany ho mpanefy firauaka izy. ~ Mampihena: Tsy afaka mandatsaka ny uidin'ny tranoko aho. ¶ M. h.: Mandetsy. ~ Manatody: Vao avy nandatsaka Ikalamainty iny uoahitsaky ny fiarakodia iny. - F.-p.: Mandatsa-bato: (taloha) mivory ny iray tanàna ka mandalo tsirairay eo anoloan'ny olo-mahatoky dimy na fito ka manonona izay ahiahina ho mpamosavy, ka izay voateny intelo eo ny anarany dia ampinomina, ary izay no atao hoe mandatsabato; (ankehitriny) mandray anjara amin'ny fifidianana. Ahitsio
Mandatsaka:an-tsoratra: Iza no nanoratra ny anaranao tao amin'ny rejisitra? ? Mandefa taratasy: Nanoratra tamin'ny ankizy any Toamasina sy Mojanga aho, 1 Mamorona: 1 Rodlish no nano_ ratra ny "Sangy mahery ", Ahitsio
Mandatsy: (iatsy) mt. s. (mandatsia): Mametraka latsy. Ahitsio
Mandavaka: (lavaka) mt.p. (mandavaha): Manao lavaka: Mandovaka tany ny biby salasalany sasany hanaovany trano. ¶ Mh.: Mandoaka. ~ Ahitsio
Mandavantaona: p.t.: Mandritra ny taona manontolo. ~ h. L: Maharitra ela tsy an-kijanona. Ahitsio
Mandavenona: (lavenona) p. t.: Tonga lavenona. ~ h.o.: Enti-milaza ny andro manjavona raha ilay toy ny lavenona aparitaky ny rivotra iny ny zavona; merika. 1 Enti-milaza ny kitay manjary lavenona fa tsy mirehitra. Ahitsio
Mandaviana: (laviana) p.t: Merika, mandavenona. a F.-p.r Mandauiana ny andro: merika ny andro, mandavenona Ahitsio
Mandavo: (lavo) mt.p. (mandavoa):Manjera, mamotraka, manongana. Ahitsio
Mandavorary: (lavorary) mt. p. (mandavoraria): Manao izay hahatomombana, hahatanteraka: Tokony samy handavorary ny asany. Ahitsio