Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mangaro: (haro) mt. P. (mangaroa): Mamadibadika zavatra mba hifangaro tsara ny ao anatiny: Tsy mahay mangaro uary koa ianao izany! ~ Mampitambatra: Mahay sary aho fa tsy mahay mangaro loko. ¶ M.h.: Mania-ho. Ahitsio
Mangaroka: na Miharoka (haroka) mt. p. (mangarofa, miharofa): Mihady, mangarona, maka ao anaty zavatra: Misy mangaroka izany vilany izany ka andeha jereo. • Mitady hahalala, mitsapa: Nitady hangaroka ahy Rakoto fa fantatro tsara ¶ M.h.: Misafary, misaroro, mamantatra. Ahitsio
Mangarona: (harona) mt. p. (mangarbna): Misava izay ao anatin'ny zavatra iray: Tratrako nangarona ny paosiko io olona io. 1 Manatsofoka ny tanana ao anaty...: Aza mangarom-bava. • Mitondra hanina any am-bava amin'ny tanana: Tana fomba ratsy ny mangarontanana rehefa mihinana 1 Miditra amin'ny toerana iray mba hangalatra: Taloha heloka mahafaty ny mangaron-dapa • Mitady hahalala, mangaroka: Oiona mangaron-dela anao izy fa mitandrema. - F-p.: Mangarom-bava: a) mampiditra ny tanana ao anaty vava;— b) maka fanahy: milaza teny vitsivitsy izay toa sintonina indray, ka ny tetehina amin'izany dia ny hitenenan'ilay iresahana betsaka. f Mangarom-biby andavaka: a) mitady loza izay tsy tokony ho avy akory. ¶ M. h.: Saka matory ka alambolombava, — b) misikotra teny mbola tsy mivoaka akory noho ny tsy faharetana. f Mangarom-biiany: mitsaba-bilany (ny mitsababilany dia tsy fanaon'ny olona ary tena mahamenatra raha any an-tranon'olona fa mampiahiahy sao manisy mosavy). Ahitsio
Mangasihasy: (hasihasy) p. t.: Mahatsiaro ho voa sy menamenatra noho ny tsy nahazoana izay nantenaina: Tsy nahazo loka Ibalita ka nangasihasy. Ahitsio
Mangasohaso: (hasohaso) p.t.: Fotsy izaitsizy, tsisy loto na pentina: Lamba fotsy mangasohaso. Ahitsio
Mangataka: (hataka) mt. p. (mangataha): Miangavy ha-nome: Nangataka vola tamiko izy nefa tsy nomeko fa asa no nomeko azy. 1 Miangavy hanao, mitalaho, mi-hanta: Mangataka anao aho mba hanasitrana an'Ineny. • Mifona ho an'olona: Ianao izao no mba hangataka ho anay madinika any amin'ny lehibe. - F.-p.: Mangataka andro: miangavy fanemorana ho amin'ny andro hafa indray. / Mangata-bady na mangataka ny ho fara: mangataka zazavavy ho vady mba hananana solofo sy dimby. f Mangatadalana: manao mbay lalana na koa mangataka hahazo fahefana hanao araka izay tadiavina. / Mangataka ranomandry: miaiky amin'ny faharesena ka mibaboka sy mila fihavanana. f Mangatamanana: manao tetika ka mangataka zavatra ananana mba tsy hahavoatery hanome. f Tompony mangataka atiny: olona mangataka amin'ny zavatra izay azy ihany teo aloha (angamba olona nivarotra omby no nahatonga ny fitenenana, ka nony lafo ilay omby izy indray no nangataka ny atiny tamin'ilay nividy). f Tsy misy mangataka voa tehamaina: tsy mahadiso ny mangataka. ¶ M.h.: Mitalaho, mihanta, miangavy, mierina, mitosy, miangola, miangoty, mitambitamby, mivavaka, miambezo, mitofendro, mitampesona, mikonetaka, mifendrofendro, mitomany ambony fe, milela-paladia, mananty an-tanan-droa, manao hatapiso, manao hata-maso, manao hatak' adala. Ahitsio
Mangatrakatraka: (hatrakatraka) Mena midorehitra, mena mivaivay: Mena mangatrakatraka ny elon'ny mpanjaka fahiny. Ahitsio
Mangatsakatsaka: (hatsakatsaka) p. t.: Fotsy dia fotsy, fotsy aoka izany; fotsy madio mangalahala Mangatsakatsaka tahaka ny lisy. Ahitsio
Mangatsiaka: (hatsiaka) p.t.: Mamanala, manaikitra, mamirifiry: Mangatsiaka ny andro rehefa ririnina ? Tsy mafana, antara: Mangatsiaka ny kafe. 1 h.o.: Tsy misy hafanana, tsy mirehidrehitra: Nangatsiaka ny fifandraisanay tao ho ao izay. • Mahatsiaro hatsiaka: Mangatsiaka aho fa rakofy bodofotsy. 1 Matimaty, matoritory: Mangatsiaka ny fivauahana amin' it? faritany ¶ M, h.: (andro na zavatra) Mamirifiry, antaravelona, havandra latsaka, (olona) manara, ngoly, jihitra, marikoditra, mitsangam-bolo, mangintsy, mangintsingintsina, mangintsina, mifihifihy, mivihivihy, sarotin-katsiaka, saro-nara, manaran-defona. Ahitsio
Mangatsohatso: (hatso, hatsohatso) P. t: Fotsy madio tsy misy pentina. Ahitsio
Mangavoka: (havoka) p. t,: Vasoka, tsy mihiratra na mandina fa matroka: Mangavoka izany ranjon'ise izany, ry Naivo, fa 'ndeha sasao. Ahitsio
Mangazafy: p.t.: Tsy fiteny afa-tsy amin'ny ro, ka ny "ro mangazafy" dia ro misy menaka misomidika. Ahitsio
Mangazay: na Magazay (fr. magasin) a: Tranom-barotra lehibe izay ahitana entam-barotra maro mirantiranty. Ahitsio
Mangebaka: (gebaka) p.t.: Noana, reraka, foana ny ao anaty: Mangebaka izany ny kibo ka aoka aloha hisakafo. Ahitsio
Mangeboka: (geboka) mt. P. (mangeboha): Mitana ho antena, mihinana: Tsy mba matoky azy intsony aho fa efa nangeboka ny volako izy. ? Mandany. Ahitsio
Mangehy: (gehy) mt. p. (mangeheza): Mifehy mafy, manery, mitazona, mangeboka. ¶ M.h.: Mangaika, mangia, mangeja, mamia, mamehy, mamatotra, mamihina, manohona, mambeda, mibeda. Ahitsio
Mangeja: (geja) mt p. (mange-fa): Mamatotra mafy, mangia, mamihina, manery. Ahitsio
Mangenahena: (henahena) p.t.: Menatra izaitsizy ka tsy mahita izay hatao, sanganehana. • h, L: Enti-milaza fery mbola vao. Ahitsio
Mangeniheny: mangeningenina (heniheny) p.t.: Tonga heniheny; safotry ny rano. Ahitsio
Mangentana: (hentana) p.t.: Mitriatra, mitsefatsefaka (fiteny amin'ny tany, siny...). • h. o.: Gaina, diso fanante-nana. Ahitsio