Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mangentona: (hentona) p.t.: Mangidy sira; lafo loatra. Ahitsio
Mangeokeoka: Mangeoka (heoka) p. t.: Enti-milaza ny tan-da maimaina ka mangagàka noho ny tsiron-javatra nohanina izay mafaitra na mafaraka ka toa mangidingidy ny tenda: Mangeokeoka ny tendako rehefa mihinana io uoankazo io aho. Ahitsio
Mangeroka: Mangerokeroka (heroka) p.t.: Mangidy izaitsizy: Tsy tiako io fanafody io fa mangerokeroka ohatra ny oahona Ahitsio
Mangery: (hery) mt. s. (man-gare): Mande fa fivalanana, mivalana. Ahitsio
Mangesa: p.t.: Ny ompa hoe "matesa" novana kely mba tsy ho azo avy hatrany: 1-lay mangesa ity! Ahitsio
Mangetaheta: (hetaheta) mt. s.: Maimay hisotro, te hisotro mafy: Mahafinaritra raha mangetaheta ka sendra rano madio mangalahala ? Maniry mafy hahazo, mitsiriritra lava tsy mety afa-po: Mangetaheta voninahitra Rangahy io. - Mangetaheta ny rariny: maniry ny rariny hanjaka tanteraka. * Ohab.: Mangetaheta ambony lakana, mosarena ambody sompitra: entina milaza tsy fahafaham-po amin'izay misy sy hita eo akaiky. Ahitsio
Mangetotra: (hetotra) mt. s. (mangetora): Mamoaka hetotra. M. h.: Mivalan-drivotra, miboana, mibo, manao bo. Ahitsio
Mangetrika: Mangetriketrika (hetrika) mt. s.: Mamoaka feo mizozozozo toy ny an' ny vary madiva ho masaka: Efa mangetriketrika ny vary ka tsy ela dia ho masaka. ? Midanika izaitsizy: Mangetriketrika izany ny hafanana • Mandeha laza, manehoeho, maketrika: Mangetriketrika ny lazan'io mpitari-tafiha io. Ahitsio
Mangezaheza: (hezaheza) p. t.: Mitoetra mitokana eny ankalamanjana, miharihary eny amin'ny malalaka: Mangezaheza mandavan-taona eny an-tampon-tanety ny vatolahy. Ahitsio
Mangia: (gia) mt p. (mangiaza): Mamihina mafy amin' ny rantsantanana. Ahitsio
Mangiaka: (hiaka) p.t.: Miseho mamiratra eny lavitra (fotsy na mena): Hitanao ir? riana mangia-potsy ir?? / Mangiaka mena ny farauodilanitra alohan'ny fiposahan' ny masoandro. Ahitsio
Mangidihidihelika: a.: Anaranjavamaniry. Ahitsio
Mangidihidy: (hidihidy) p.t.: Mahamaimay ny hoditra ka maniry ny hohaotraorina: Mangidihidy ny lamosiko fa haotraory kely. • h,o.: Maniry mafy ta hanao zavatra: Mangidihidy ta handihy ny tongotro. Ahitsio
Mangidy: (ngidy) p.t.: Mana-na tsiro ratsy be amin'ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin'ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian'ny zaza. • Masiaka: Mangidy ny sakay. • h.o.: Mampahory izaitsizy, mampangirifiry: Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay. • Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon'ny hena ankehitriny izany. • Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra. ? Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin'ny manampahefana. • Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina - F.-p.: Mangidy hoditra: tsy tiam-bahoaka, tsy tian' ny tany ama-monina. / Mangidy sira: be sirs izaitsizy. / Mangidy vato: tsaza aoka izany. / Manao mangidy tsy andramana: mbola tsy nanandrana na nitsapa zavatra iray akory dia mihevitra azy ho ratsy na tsy ho vita. * Ohab.: Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy: ny fisahiranana sy ny asa mafy matetika no ahitam-bokatsoa mahafinaritra. / Fatrapitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina: indraindray ny fikatsahana hahazo baba na tsaratsara kokoa dia vao mainka mety hampahita angano. ) Mangidy vao ny alahelo: eo amboalohany no mila tsy ho tanty ny alahelo namoy havan-tiana fa rehefa ela mihamalefaka ihany. / Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana mamy: enti-milaza fa rehefa sitraka sy nifanarahana, dia maniary mora na dia sarotra sy manahirana aza. ¶ Mh: Mafaitra, mangeroka,"hentona, monta, mangananganana, mangidy toy ny tangena, mangidy ohatra ny vahona. Ahitsio
Mangilahila: (hilahila) p.t.: Enti-milaza ny tahirim-bary izay mihena tsikelikely amin' ny ilany iray isaky ny akana. Ahitsio
Mangilohilo: (hilohilo)p.t.: Malamalama sady mangirana mililotra mamiratra (fitenY indrindra amin'ny zavatra mainty na manopy malntY): Mangilohilo izany volonao I-zany, Ahitsio
Mangina: (gina) mt. s. (mangina): Tsy miteny: Taorian' izay teny izay Lay dia nangina ary nipetraka. • Mitsahatra mitomany: Norotslrotslna t Baotiana vao nangina. ? Tsy misy tabataba, tsy andrenesana tabataba: Mangina ety ambanivohitra lzany. Ahitsio
Mangingina: (gina) p.t.: Tsy andrenesana tabataba: Mangingina ny tanàna fa fotoana fakan'ny mpianatra andro izao, • Mandeha, mitoetra, mitokana irery: Mijanbna re fa mangingtna ny zandrinao, • Tsy fantatr'olona: Mbola zavatra mangingtna izany fa aza aely. • p. mt.: Irery, manokana: Efa niresahako mangingina momba izany izy, Ahitsio
Mangintsina: (hintsina) p.t.: Marenina sy donto azon'ny feo mafy mikiririoka na mitabataba izaitsizy: Mangintsina ny sofiko amin'ny tabataba-masinina ato avaratra. ? Mamolivoly: Mangintsina ny tongotro azon'ny hatsiaha mamirifiry, ? Manaintaina: Mangintslna, hono, ny tanany fa voatsindron'ny fanjaltra. 1 Lao, madilo: Inona no tena marina momba an'io raharaha lo fa efa mangintsina ny sofina amin'ny tsaho mandeha? Ahitsio
Mangintsy: (hintay) p.t.: Mangatsiaka, manaikitra, mamirifiry: Mangintsy izany andro izany, zalahy. • Mahatsiaro mangatsiaka, mamirifiry: Mangintsy aho fa rakofy bodofotsy. • Vita tanteraka tsy iverenana intsony. - F.-p.: Loka mangintsy: loka tsisy valin'ady fa indray mandeha iny ihany, Ahitsio