Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mangoràka: (horaka) p.t.: Me-na mivaivay, mangatrakatraka. Ahitsio
Mangorangorana: (horangorana) p.t.: Mahatsiaro torovandrovana toy ny hanavy: In. jany manako ny kotrok'ora. na — Mandreraka sady man. dazolazo — Tsapaina ny fo ka mangorangorana — Mafana kanefa tsy voan'ny tazo, (S. BEM) Ahitsio
Mangoratsaka: (horatsako)p.t.: Madio tsisy rahona na pitiny kely aza: Mangoratsaka ny volam-penomanana — Mavamavana na tany lanjadiany — Indro kosa fa ny foko miantsinanana — Manin-dava iny Ranomasina iny. (R. R-R) Ahitsio
Mangorera: (gorera) p.t.: Tsy mavitrika fa osaosa. Ahitsio
Mangorintsina: (horintsina) p. t,: Manaikitra izaitsizy hatrany amin'ny aty tsoka: Mangorintsina izany hatsiaka izany, / Mahatsiaro marary mafy: Nangorintsina ny sandriko voadonan'ny oarauarana, 1 Mahatsiaro marary noho ny feo mafy maranitra (sofina): Mangorintsina ny sofina amin'ny kiakiakan'ireo ankizy ireo fa roahy any ireo, ¶ M.h.: Manglntsina, migina, mikiririoka, 1 Mangovitra, mihoron-koditra: Nangorintsina iray ihany ny tenako nahita ny nifandonan'ireo fiarakodia anankiroa. Ahitsio
Mangorohoro: (horohoro) p.t.: Matahotra mafy, mangovitry ny tahotra. Ahitsio
Mangorona: (horona) mangorb. na): Manodina hivoromborona: Mangorona tady, / Mampirina , mandanona: Indreny mangorona ny lamba mihahy ny mpanasa lamba. 1 Ma-ka miaraka, mifaoka: Mangorona ny tsy manan-karatra, hono, ny polisy. 1 Manangona, mamory tsy misy fetra: Mangoron-karena. Ahitsio
Mangorondefona: a.: Anarankazo. Ahitsio
Mangoronkely: a.: Karazana bibintsaonjo mihorongorona ao anaty ravinkazo, ka ao izy no miofo ho lolo. Ahitsio
Mangorontsina: na Mangorontsona mt.s.: Mahatsiaro fanaintainana mafy manaikitra toy ny afitsoky ny gaotra. Ahitsio
Mangorovitsika: (vitsika) mt.s.: Enti-milaza ireo vongan-drano na vongan-drivotra madinika mitangorongorona eo amin'ny fanambonin'ny rano efa manomboka hafana. 1 Enti-milaza ny rano efa manomboka hafana ka misy ireo vongan-drano na vongan-drivotra mitangorona ires): Efa mangotraka ue ny raujmboafotsy, anaka? — Vao mangorouitsika, ry Da-da. Ahitsio
Mangotakotaka: (hotakotaka) p.t.: Enti-milaza lavaka na hady sady lalina no be vava. Ahitsio
Mangotanatana: p.t.: Enti-milaza lavaka na fery misokatra be izaitsizy: Teuana mangotanatana, Ahitsio
Mangotikotika: (hotikotika) mt. s.: Mahatsiaro fanaintainan-tsinay. Ahitsio
Mangotraka: (hotraka) p, t.: Enti-milaza rano na zavatra ha-fa hafanaina ka efa matants be miketriketrika: Efa mangotraka ny tsaramaso, ¶ M. h.: Mandevy. / tao,: 1) Mahery fo, mavitrika: Mangotraka Rakoto iny raha miasa. 2) Mafana, mirehidrehitra: Nangotraka izay kabary nataony izay. 3) Fatratra, mahafinaritra izaitsizy, kanto: Nangotraka ny kllalaonay tany an-tsaha. 4) Mandeha tsara, mahomby, mandroso: Mangotrakd izao ny flompiana kisoa. 5) Mafy aoka izany: Tandremo fa mangotraka lzao ny fisavankaratra. Ahitsio
Mangotsatsaka: p.t.: Fotsy madio dia madio: Vary mangotsatsaka uidina, rankizy a! Ahitsio
Mangotsohotso: p.t.: Tsaroana misy manaintaina, manindrontsindrona any anaty taolana: Mangotsohotso ny ran. joko izany. Ahitsio
Mangotsoka: Mangotsokotsoka p.t.: Manaintaina any anatY; mitsakotsako: Mangotsokotsoka ny tongotro izany! / h,o,: Diso fanantenana ka tsaroan'ny tena izaitsizy izany: Nangotsoka aho nahita ny namako afa-panadinana nefa aho tsy afaka. Ahitsio
Mangovenavena: p.t.: Enti-milaza fery mitanatana be ny vavany. Ahitsio
Mangovihovy: na Mihovihovy (hoaihouy) p.t.: Mangatsfaka, mangovitry ny hatsiaka. Ahitsio