Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitanàka: (tanàka) mt. s.: Mitanatana vava noho ny figagana eo anoloan'ny zavatra mahazendana. Ahitsio
Mitanatana: (tanatana) mt. s.: Misokatra tanteraka (filaza amin'ny varavarana, vava, lavaka): Ny masony nivontirika, ny vavany nitanatana. Ahitsio
Mitandahatra: (tandahatra) mt. s.: Nilahatra lava mitandavana: Ar? misy trano telopolo mitandahatra. Ahitsio
Mitandavana: Tomandavana (tandavana) mt. s.: Entl-milaza zavatra milahatra manaraka ny lavany, manao tohy lava: Nitandavana hatreny an- tsena ka hatreny an- tsekoly ny mpianatra. / 1r? tendrombohitra tomandavana — Soa malomaloka mavamavana... ", (Ny Avaria) Ahitsio
Mitandrantandrana: (tandrantandrana) mt. s. (mitandrantandràna): Mijery miherikerika etsy sy eroa toy ny olona bado. Ahitsio
Mitandrendrena: (tandrendrena) mt. s.: Manao adaladala, mitaraik.iraiky. Ahitsio
Mitandrina: (tandrina) mt. s. (mitandrema): Mampifantoka ny saina amin'ny zavatra iray ka manao izay rehetra azo atao mba tsy hisy hahavoa ny tena amin'izany: Mitandrema tsara rehefa mihazakazaka sao potraka. ? Miambina olona, manara-maso izay ataony: Tovolahy kely iny no nitandrina ny mpianatra ka nolalaoviny fotsiny. ? Mikarakara, manolokolo, mikajakaja: Aoka hi-' tandrina ity boky ity ohatra ny anakandriamaso ianao. ? Manaraka, manatanteraka: Izay te ho voavonjy, aoka hitandrina ny didy. ¶ M.h.: Mikolokolo, manolokolo, mitity, mikarakara, mahavatra, mahakandikandy, mikajy, mikojakoja, miahy, mikononkonona, mitaiza, mitsabo. — Mitandrina, miambina, miandry, miaro. — Mitandrina, misoroka, mitsimbina, mitandro, misaindy, mandala. Ahitsio
Mitandro: (tandro) mt. s. (mitandrova): Mitan drina, mitsimbina, miraharaha (fiteny amin'ny voninahitra, henatra, hasasarana, havizanana, hanoanana):Tsy nitandro hasasarana ianareo fa tonga hatraty an-tany lavitra at?. /Nitandro henatra izy no tsy nanaovany an'izany. Ahitsio
Mitanesaka: (tanesaka) mt. s,: Mandeha mitsikamokamo, mivaroraka sy mitaredretra, Ahitsio
Mitangary: (tangary) mt. s.: Manampoka amin-kafetsena; mamitaka, Ahitsio
Mitangazona: (tangazona) mt. s.: Mitana, mihazona: Nitangazona ny akanjony ilay kirihitra. Ahitsio
Mitangerina: (tangerina) mt, s,: Misangodingodina, mitambolimbolina. Ahitsio
Mitangezaheza: (tangezaheza) mt. s.: Mijanona mijoro tsy mandroso tsy mihemotra, miahanahana mijoro, mangezaheza: Nahoana no mitangezaheza eo am-baravarana fotsiny eo ianao? Ahitsio
Mitangirika: (tangirika) mt s.: Loaka, misy hirika amin'ny vody rindrina na amin'ny fefiloha: Nantsoina ny fokonolona fa nitangirika ny fefiloha. Ahitsio
Mitangitrika: (tangitrika) mt. s.: Milentika ao anaty. ? Miboiboika, mifantsitsitra: Mitangitrika avy amin'ny hozadra ny ra. Ahitsio
Mitangizina: (tangizina) mt. s.: Mifanety, mifamoritra. Ahitsio
Mitango: (tango) mt. s. (mitangosa): Manapaka amin'ny ta-nana na amin'ny antsy ny ravina na ny laingon'ny anana: Mitango ravim-boangahazo. * Manapaka ny tongotra sy ny elatry ny valala: Mitango valala lena. - F.-p.: Mitango aretina: mitady na mila aretina, tsy miady amin'ny aretina fa toa manao izay hampaharitra azy. / Mitango lalitra: enti-milaza olona kamo manary andro amin'ny zavatra tsinontsinona. Ahitsio
Mitangolika: (tangolika) mt. s.: Mifadiditra, miolikolika manodidina...: Mitangolika amin'ny vatan-kazo ny vahy. * Miolana: Mitangolika izany ny tsinaiko fa uoan'ny mandalo aho. Ahitsio
Mitangongo: (tangongo) mt. s. ' (mitangongoa): Mivory betsaka miavosa na mivory betsaka mifanakaiky mifanizina: Jereo ireto vitsika mitangongo akaikin'ny fitoerantsiramamy. Ahitsio
Mitangopetaka: (tangopetaka) mt s.: Mipetaka be toy ny fotaka mifotetaka. Ahitsio