Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitangorona: (tangorona) mt. s.: Mivory betsaka manodidina tsisy filaharana na filantoana: Nitangorona nanodidina azy ny olona. ¶ M.h.: Mifanizina, mivotretrika, mifanety, miady hihy, mikatona, mifanesika, mifanitsa-kitro, mamorom-potsy, manao faribolana, manao lahirodona, mihahohaho, mihalohalo. Ahitsio
Mitangy: (tangy) mt. s.: Mikarama, mandray vola na fanomezana mba hanekena hiray amin' olona. Ahitsio
Mitanika: (tanika) mt. p. (mitaneha): Mampangotraka: Mitaneha kely tambavy, rankizy a! ? Mampiempo: Mitanika menaka izy. ? Manasitily: Mitanika betsabetsa ny Betsimisaraka. ? mt. s.: Mafana migaingaina toa manempotra: Mitanika izany hainandro izany. Ahitsio
Mitanila: (tanila) mt, s. (mitanilà): Mijoro na mipetraka tsy manatrika fa miraika amin'ny ilany iray: Mitanilà ianao rehefa mandalo ny lehibe. ? h.o.: Miangatra: Fitsara-mitanila. Ahitsio
Mitanina: (tanina) mt. s. (mitanina): Mipetraka mitodika amin'ny afo, amin'ny masoandro: Sady mitanina afo izahay fahiny no nihaino an' Inenibe nanao angano. / Mitanina andro ny ankizy rehefa ririnina. Ahitsio
Mitanintanina: (Btl) p.t.: Teny enti-milaza omby vaventy sady malemy paika. Ahitsio
Mitanisa: (tanisa) mt. s. (mitanisà): Manao tanisa. ? Manonona tsirairay, milaza antsipiriany: Nitanisa ny fahavoazany teo izy nandritra ny antsasak ' ad in y. Ahitsio
Mitanjaka: (tanjaka) mt. s. (mitanjaha): Miseho vatana tsy misy manarona, tsy mitafy: "Fa ny mafy taminy indrindra dia ny tenany nitanjaka teo imason'ny olona maro tao". ¶ M.h.: Mihanjaka, mihanjahanja, mihanja-belona, miboridana, mitazotazo, mihazihazy, misongadina, mivongady, midizidizy, mitotozenjina, mitotojanjina. Ahitsio
Mitanjozotra: (tanjozotra) mt. s.: Mandeha betsaka manao ranolava mizotra toa milahatra. Ahitsio
Mitankosina: (tankosina) mt. s. (mitankosina): Mifanosona matevina ka toa manjary hafahafa; mikitroka be. Ahitsio
Mitanondrika: (tanondrika) mt. s. (mitanondreha): Miondridoha noho ny alahelo na ny hasasarana na ny hanoanana. Ahitsio
Mitanontanona: (tanontanona) mt. s.: Mitovy amin'ny Mananontanona (jer. io tenyio): Mitanontanon-daua eo akaikiko io adala io. Ahitsio
Mitantana: (tantana) cit. p. (mitantàna): Manohana (zaza na marary) mandeha ka mandray ny tanany eo am-pamindrana miaraka aminy: Nitantana ny zandriny tsy mbola mahay mandeha Ikoto, ? h.o.: Manampy ka mahatonga handeha amin'ny lalana tsara: Izy no nitantana ny dianay. ? Mitondra, mifehy: Ny komitin-tsekoly no mitantana ny sekoly. Ahitsio
Mitantana: (tantana) mt, s.: Mizara (hena, vary, sakafo, vo-la...). ? Mitovylenta. Ahitsio
Mitantara: (tantara) mt, p. (mitantarà): Milazalaza izay nitranga: Liana er? izahay nihaino azy nitantara ny dia nalehany. Ahitsio
Mitantavana: (tantavana) mt. s.: Mandalo tamin'ny tantavana: Rano efa nitantavana io. Ahitsio
Mitanty: (tanty) mt. s.: Entimilaza zavatra atao hirotsahana rano avy eo ambony. Ahitsio
Mitao: (tao) mt. s. (mitaova): Miomanomana toy ny ho any an'ady, hanafika. Ahitsio
Mitaona: (taona) mt. p. (mitàoma): Mitondra (zavatra) avy amin'ny toerana anankiray mankamin'ny toerana hala: Mitaona fasika no raharahan'io lehilahy io. • Mitarika hanao: Izy ihany no nitaona ahy hivarotra. Ahitsio
Mitaontaona: (taontaona) mt. s.: Mitandrantandrana, ketrina. Ahitsio