Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitapaka: (tapaka) mt. s.: Mizara roa na telo ka misasaka ny tapany avy. Ahitsio
Mitapelaka: (pelaka, tapelaka) p. t.: Enti-milaza zavatra sady mivelatra lehibe no fisaka: Mitapelaka ny ravin-tsaonjo. Ahitsio
Mitapiaka: (tapiaka) mt. s.: Mitefoka mafy. Ahitsio
Mitapikotra: (tapikotra, ft. tsyfampiasa) mt. s.: Misarangotra, mamikitra mafy. Ahitsio
Mitapitapy: (tapitapy) mt. s. (mitapitapia): Tongamiatoato, tsy indray migorodana fa tsirairay ary misy elanelany ny eo aloha sy ny ao afara: Mitapitapy ny fiavin'ny orana tato ho ato. Ahitsio
Mitapoaka: (tapoaka) mt, s.: Mipoaka. • Misy tapoaka na boribory kely avy ao anaty ran o. Ahitsio
Mitapy: (tapa) mt. s. (mitapia): Mankeo amin'ny bainandro mba hahazo hafanana, mitanina andro: Tsy manao afa-tsy ny mitapy andro io rafotsibe io. Ahitsio
Mitaraiky: (taraiky) p.t: Adaladala, mitandrantandrana. ? (ankehitriny) f.s.b,: Mitavozavoza ka tonga tratra aonana, diso fotoana. Ahitsio
Mitaraina: (tarama) mt, s.: Mimenomenona: Mitaraina amin'ny zauatra tsinontsinona io zaza io. ? Mitoloko a-mana mitoreo: Mitaraina la-va noho na fahantrany Rabe. • Malahelo ka mitory: Mitaraina ny uadinao fa tsy mitondra vola mody, hono, ianao, ¶ M. h.: Mikonaina, mikoinkoina, mitsikoinkoina, mitoretra, be tarama, mimenomenona, mibabababa. Ahitsio
Mitaria:(taria) mt. s.: Manao resaka lava: Nitaria momba ny famadihana teo i dadatoa. Ahitsio
Mitarika: (tarika) mt. p, (mitariha): Mandrirotra, misarika: Mitari-bato. / Soaualy mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy. • Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahaualo any amin'ny toerana misa velapandrika. ? Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin'ny tranom-bahiny. 1 h.o.: Iza no mitarika ireto mpianatra ireto? ? Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka, ? Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivauahana, mitari-kira. 1 Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika. ? Mampahazo, mampahita: Mitarika uoninahitra ny fahaizana matetika. • mt. s.: Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro. - F.-p.: Mitari-tongotra: tsy afa-manainga tongotra fa manakisaka azy fotsiny noho ny havizanana. * Ohab.: Mitari-bato ts? mihoraka: uery ny androatokon'aina: rehefa manao zava-tsarotra ifanakonana, ma-nome hery sy ahavitana be ny fiarahana mihorakoraka, mihirahira, fa tsY mangingina samy maka ho azy. Ahitsio
Mitaroka: Mitarotaroka (taro-ka) mt. s. na p. t.: Mamoaka tsimoka na laingo tanora milenodenoka. Ahitsio
Mitarozaka: (tarozaka) mt. s.: Mihantona miraviravy, mikiraviravy, mirazorazo, mikirazorazo: Tapaho any io tady mitarozaka eo amin'ny lavarangana io. ? Maharitra ela toa tsy misy farany: Tapaho haingana izay heuitrao fa mitarozaka izany resaka izany. Ahitsio
Mitataka: (tataka) mt, s.: Vaky na rovitra eo amin'ny zaitrany. • Misy loaka na banga fandehanan'ny rano. Ahitsio
Mitatàka: (tatàka) mt. s.: Mipaipaika. Ahitsio
Mitatao: (tatao) mt. p. (mitataoua): Mandondona eo ambony: Tsy mahita tory aho isaky ny mankany amin-dry Nenitoa fa misy uato be mitatao eo ambon y tranony. Ahitsio
Mitatatata: (tatatata) mt. s.: Maneno mafy toy ny an'ny basy mitefotefoka, ny langorony velesina: Nitatatata ny basy marouaua ka natahotra daholo ny manodidina. Ahitsio
Mitatatra: (tatatra) mt. s.: Misy tatatra: Tanimbary lehibe tsy mitatatra no teto taloha ka nahatonga ny anarana hoe Betsimitatatra. ? Miasa manao tatatra amin'ny...: Ikotouao no nitatatra ny tanimbarin'i Dadabe (rat. p.). * Ohab.: Mitatatra ho andRainilaizafy: miasa fotsiny tsy mahazo karama. ¶ M.h.: Miasa 1amba rafozana. Ahitsio
Mitatavoka: (tatavoka) mt. s.: Potraka, mianjera mitsotra mivalandotra: Nibolisatra tamin'ny hoditr'akondro izy ka nitatauoka tamin'ny tany, Ahitsio
Mitatitra: (tatitra) mt. s. (mita-tara): Mitondra, mitaona zavatra imbetsaka miverimberina: Indimy nitatitra ilay sarety veto nahataona ireo uato nouidinay. ? Mitondra (teny): Rabe no nitatitra izany teny izany tamin'ireo iray tam-po aminy. Ahitsio