Mitifaka | : | (tifaka) mt. s.: Tapa-ka, vaky ka miparitaka,
Ahitsio |
Mitifika | : | (tifika) mt s.: Mipitika, mitsipika, miala mahery.
Ahitsio |
Mitifitra | : | (tifitra) mt. p. (mitifira): Mamely amin'ny basy, tafondro, tsipika,..: Mitifiborona. ? Mikendry: Nitifitra ahy mihitsy ianao tamin' ny teny nataonao. ? Mipitika: Mikisaha any ho any fa mitifitra aty ny rano.
Ahitsio |
Mitihika | : | (tihika) mt. s.: Fano safomorona na mihoa-pefy.
Ahitsio |
Mitihintihina | : | (tihintihina) mt. s. (mitihintihina): Mirehareha amin'ny fandeha na ny famindra.
Ahitsio |
Mitikintikina | : | (tikintikina) mt. s. (mitikintikina): Mandeha na mamindra amim-pieboeboana, mamindra manao fihetsika be avona sy kevokevoka.
Ahitsio |
Mitikitiky | : | (tikitiky) mt, s.: Mipaipaika na mipipika (fiteny amin'ny famantaranandro): Maty angamba ity famantaranandro ity fa tsy henoko mitikitiky.
Ahitsio |
Mitily | : | (tily) mt. s. (mitilia): Mitsikilo, manao andry maso ny asa, fihetsika, tanin' olona ka tsy hitany: Mitily izay rehetra ataoko izy. • Mizaha taratra, mitaratra: Rakoto no hitily ny fahaualo. ¶ M.h.: Mitsikilo, manarangarana, manazangazana, mitaratra, mizaha taratra, mijery fandry, mikendry, miandry, manao andry maso, miambina, mandry tsy amin' afo.
Ahitsio |
Mitintina | : | (tintina) nit s.: Mamoaka feo mangitsingitsina.
Ahitsio |
Mitititra | : | (tititra) mt, s.: Midridroka (fiteny amin'ny gorodona voahitsaka).
Ahitsio |
Mitoantoana | : | na Manoantoana (toantoana) mt. s.: Tsy mahazo teny, manao kitoatoa: Ity zaza ity koa mitoantoana!
Ahitsio |
Mitobaka | : | (tobaka) mt. s.: Mitopy ka tonga mihoa-pefy: Nitobaka ny rano tao anaty siny fa nihazakazaka i Vao.
Ahitsio |
Mitobatoba | : | (tobatoba) mt. p.: Mikobana: Nisy nitobatoba ny rano ka tsy mbola azo sotroina ilay ixy. • Mandanilany foana: Ny zaza maditra no mitobatoba ny harena navelan-dray aman-dreniny.
Ahitsio |
Mitobebaka | : | (tobebaka) p.t.: Be vava nefa tsy lalina aty; iva nefs malalaka.
Ahitsio |
Mitoby | : | (toby) mt s. (mitobia): Milasy: Mitoby atsy avara-tanàna ny miaramila. ? Miangona, miavosa, miavovona: Izaitratra ny vary mitoby ao an-tsena fa fararano ny andro. ¶ M.h.: Miangona, mitangorona, mihorona, mifanongoa, miavosa, miavovona, mivangongo, mivongaingy, mivozezika, mamozezy.
Ahitsio |
Mitodika | : | (todika) mt. s, na mt. p. (mitodiha): Mihodina (enti-milaza ny loha na ny maso mihodina na miherika amin'ny zavatra na olona eo anindrana na any an-damosina), miherika: Aza mitodika lava any aoriana ao ampiangonana. ~ h.o.: Tsara ihany ny mitodika ny Iota mba hianarana mitsinjo ny ho avy.
Ahitsio |
Mitody | : | (tody) mt. s. (mitodia): Tonga an-tseranana: Amin' ny 7 jolay no hitody ao Toamasina ny sambo Tanamasoandro.
Ahitsio |
Mitoetra | : | (toetra) mt. s. (mitoera): Monina, mipetraka: Mitoetra amin'ny trano mahafinaritra izy. / Aiza ianareo no mitoetra? 1 Mipetraka: A-za mitoetra eo amin'ny uaua rivotra eo. • Mijanona: Nitoetra herinandro tany Fianarantsoa izahay mirahalahy. •Mitombina: Nitsanga-nitoeira Rakoto niandry ny zanany ho tonga. - F.-p.: Mitoe-jaza: enti-milaza ny vehivavy vao manomboka hanan-janaka ao an-kibony, izany hoe vao torontoronin-jaza.
Ahitsio |
Mitofantsika | : | (tofantsika) p.t.: Mivokoka, milantsika, mivohon-tsotro.
Ahitsio |
Mitofatofa | : | (tofatofa) mt. s.: Mihetsiketsika, mihofahofa (enti-milaza ny taho malefolefo tsofin'ny rivotra, na ny volon-doha mihofahofa raha mihazakazaka): Mitofatofa er? ny uolon'i Bozy kely rehefa mihazakazaka izy.
Ahitsio |