Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitofefika: (tofefika) mt. s.: Mihilana, miraika, mirona, mitady hihohoka: Nitofefika ny lakana ka natahotra izaitsizy aho. Ahitsio
Mitofendro: (tofendro) mt. s.: Miketrona, mifararemotra toy ny hitomany: Nitofendro aoka izany ny endriny ka tsy sahy nijery azy aho. Ahitsio
Mitofezaka: (tofezaka) mt. s.: Noana mafy, reraky ny hanoanana. Ahitsio
Mitofina: (tofina) mt. s.: Mahatsiaro maharary noho ny fianjerana. Ahitsio
Mitofintofina: (tofina) mt. s.: Mihetsiketsika, manonjanonja, mitopatopa. Ahitsio
Mitofotra: (tofotra) mt s.: Midona, mipifka, migbna: Nitofotra tamin'ny vato ny angadiko ka dombo ter?! Ahitsio
Mitoha: (toha) mt. s.: Mitady (haza, remby): Lasa nitoha tantely any an'ala izy. - F.-p.: Mitoha ady: mila ady, manatona mba hihantsy ady, mandranto ady, mihaika. Ahitsio
Mitohana: (tohana) mt, s.: Tsy mahalatsaka fivalanana: Ra-ha mitohana elaela, tokony haka fanafody any amin'ny dokotera. Ahitsio
Mitohana: (tohana) mt. s.: Misy tohana: Tokony hitohana ity andry ity fa mila hianjera? Ahitsio
Mitohatoha: (toha) mt. s.: Mihaodihaody, misodisody, mitady. Ahitsio
Mitohatra: mt. s.: Enti-milaza ny nonom-biby izay efa mibontsina, na ny biby — indrindra ny ombivavy — ma-nana anaka, na ny voam-bary efa manomboka ho feno. (Raha manana anaka, ny olombelona atao hoe: beuohoka; ny omby mitohatra ary ny saka mamosavy). Ahitsio
Mitohenjy: (tohenjy) mt. s.: Mikarenjirenjy. Ahitsio
Mitohika: (tohika) mt. s. (mitohifa): Manao ditra, mikiribiby, mitompo teny fantatra. Ahitsio
Mitohinjaka: (tohinjaka) mt. s.: Mihetsiketsika, manonjanonja. Ahitsio
Mitohoka: (tohoka) mt. s. (mitohofa): Voatohan'ny fefy ka mihandrona, be rano: Efa mitohoka ny rano amin'ny tanimbarinao. • h.o.: Nitohoka ny fiarakodia teo Analakely ka saika tsy tafavoaka izahay. • Miavovona betsaka: Kitay re izao mitohoka ao am-patana izao! Ahitsio
Mitohotra: (tohotra) mt. s.: Mitambatra miangona ohatra ny tantely ao anaty tohotra. Ahitsio
Mitohy: (tohy) mt. P.: (mitohiza): Mampiditra zavatra maro mifanarakaraka amin' ny kofehy na amin'ny tsoraby: Nitohy vakana anikeheo ny zokinay. • mt. s.: a) misy tsy tapaka, tsy misy fiatoana: Nitohy ny ranonorana nandritra ny herinandro ka uaky ny fefiloha; b) mi fanarakaraka betsaka: Nahita soaualy betsaka nitohy teny an-dalana izahay. ¶ M, h.: Manao ranolava. - F.-p.: Mitohy fangoka: enti-milaza olona manenina na adala (potipoti-kofehy nohetezana tamin'ny tenona no atao hoe fangoka, ka heverina ho misy fahavoazana ny sain'ny olona mitohy izany). / Mitohy vakana: mampiray vakana amin'ny kofehy. /Mitohy sakay: lasa adala noho ny nenina be loatra. Ahitsio
Mitoka: (toka) mt. s. (mitokava): Mirary hahery na manozona ho resy. Ahitsio
Mitokaka: (tokàka) mt. s.: Mihomehy, mitokelaka toa maneso. 1 Manao feo toa mampiseho hagagàna fatratra mi-haro hafaliana. Ahitsio
Mitokalo: (tokalo) mt. s.: Mitaraindraina, mangataka amim-pitambezoana, mitaky tsy an-kijanona. Ahitsio