Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitokana: (tokana) mt. s. (mitokàna): Mipetraka irery: Mitokana ao an'efitra ao izy fa tsy miaraka amin'olona. • Mankalaza zavatra vao iray, alohan'ny hampiasana azy: Ny Minisitra mihitsy no hitokana ilay trano fitsaboana UaovaO. - F.-p.: Mitoka-monina: mivelona tsy mifangaroharo amin'ny hafa. / Mitokan-trano: mitoetra mahaleo tena amin'ny trano iray manokana, tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny intsony. Ahitsio
Mitokantokana: (tokana) mt. s.: Mipetrapetraka irery fa tsy mba miaraka amin'ny ha-fa. Ahitsio
Mitokelaka: (tokelaha) mt. s.: Mihomehy mikakakaka mampiseho hafaliana, na indraindray kosa somary maneso. Ahitsio
Mitokiky: (tokiky) mt. s. (mitokikia): Mamitsaka sady manjonitra toa malahelo; mipetraka, mijokaiky: Nitokiky teo an-tokotany izy nony lasa ny zanany. Ahitsio
Mitokiky: (tokiky) mt, s.: Miferinaina foana. Ahitsio
Mitoko: (toko) mt. s. (mitokoa): Mitsinjarazara ho toko maro: Efa mitoko ireo ny a-nana ka firy toko no alainao? • Mahazo isa amin'ny baolina: Tsy mbola nitoko ihany hatramin'izao ny mpilalao malagasy. - F.-p.: Mitoko uory: entimilaza ny vary efa mamorivory madiva handroatra. Ahitsio
Mitokoa: (tokoa) mt. s. (mitokoaua): Miozona, misahato. Ahitsio
Mitokona: (tokona) mt. s. (mitokdna): Mihenahena, midongy, tsy mety mandeha: Mitokona ireto omby ireto. ? Mihenahena tsy mety miasa: Mitokona ny mpampianatra Pr? Ambohitsitononina. Ahitsio
Mitokotoko: (toko) mt. s.: Mitsinjarazara ho toko maro (mitovy amin'ny mitoko fa fampiasa kokoa). Ahitsio
Mitokozihitra: (tokozihitra) mt. s. (mitokozihira): Mihenahena velona tsy mety mihetsika hiasa na hanampy. Ahitsio
Mitoky: (toky) mt. s. (mitokia): Mamosavy, mamorika. Ahitsio
Mitoky: (toky) mt. (mitokia): Mametraka fanantenana: Tsy hitoky amin'olona mpamitaka toa anao na oviana na oviana aho. ? Miankina, miantehitra: Aza mitoky amin'ny fahaizan'ny tena. Ahitsio
Mitola: (tola) mt, s.: Tofoka. • Miraika kely, mirona, mihilana. Ahitsio
Mitolaka: (tolaka) mt. s.: Mihodina (amin'ny lahin-tsaviliny) mivoha: Amboary io uarauarana io fa mitolaka foana tsy mety mamoha. • Tailana, mivilana, mivaona: Mitolaka izany tohatra izany ha handratra. Ahitsio
Mitolantsika: (tolantsika) mt. (mitolantsiha): Mihantsika, milantsika: Jereo fa mitolantsika er? ity zaza ity rehefa mandeha. ¶ M.h.: Mihantsika, mitolila, mihilana, mihilangilana, mitsingilahila, manongilana, mitongilana, mitsitaingatainga. Ahitsio
Mitolatola: (tolatola) mt. s.:Mihevingevina, midoladola. Ahitsio
Mitolefika: (tolefika) mt. s.: Mihilana, miraika. Ahitsio
Mitolila: (tolila) mt. s.: Mandringa, lava sy fohy ny tongony ka mandringa: Mitolila ity latabatrareo! ¶ M.h.: Mandringa, mikotringa, mikotrifa, mikolepaka, mitolitsika. Ahitsio
Mitolitsika: (tolitsika) mt. s.: Mikolepaka, mikotringa. Ahitsio
Mitoloko: (toloko) mt. s. (mitolokoa): Mitaraina, manao feo mitaraindraina miaraka amin'ny sento am-po na fitserana: Nitoloko nandritra ny aima ny marary, Ahitsio